SOATOAVINA MIFANOHITRA
Vakio ny Jos. 9:1-20. Inona no mampitovy sy mahasamy hafa ny tantaran'i Rahaba sy ny an'ireo Gibeonita? Nahoana no manan-danja izany?
Manomboka amin'ny fampahafantarana antsika io toko ao amin'ny Josoa io fa ireo mpanjaka kananita izay efa zatra nanjaka tao amin'ireo tanana-fanjakana madinika dia nanapa-kevitra ny hitambatra hanohitra ny Isiraelita. Ny mponin'i Gibeona kosa nanapa-kevitra ny hanao fanekena amin'ny Isiraely.
Mba hamitahana ny Isiraelita ka hanaovany fanekena aminy, dia nampiasa tetika ny Gibeonita ka mody niseho ho iraka avy tany amin'ny firenen-kafa. Araka пу Deo. 20:10-18 mantsy dia nanisy fanavahana teo amin'ny Kananita sy ireo olona nonina tany ivelan'ny Tany Nampanantenaina Andriamanitra.
Ny teny nadika hoe "nanao hafetsena" dia azo ampiasaina amin'ny heviny tsara, manambara fahamalinana sy fahendrena (Ohab. 1:4; Ohab. 8:5,12), na amin'ny heviny ratsy, manambara fikasan-dratsy (Eks. 21:14; 1 Sam. 23:22: Sal. 83:3). Raha ny amin'ny Gibeonita dia fikasana hiaro tena no tena tao ambadiky ny fihetsiny feno fitaka, fa tsy fikasana hanao ratsy loatra
Manaitra ny fitovian'ny lahatenin'ireo Gibeonita amin'ny an'i Rahaba. Samy niaiky ny herin'ny Andriamanitry ny Isiraely izy ireo, ary samy niaiky fa tsy vitan'ny herin'olombelona fotsiny ny fahombiazan'ny Isiraely. Tsy tahaka ireo Kananita hafa izy ireo, satria tsy nanohitra ny fikasan'i Jehovah hanome ny tany ho an'ny Isiraelita, ary niaiky izy ireo fa ny Tompo mihitsy no nandroaka ireo firenena ireo teo anoloan'ny Isiraely. Ny fahafantarana ny vaovao momba ny fanafahana avy tany Egypta, sy ny fandresena an'i Sihona sy Oga, no nanosika an-dRahaba sy ny Gibeonita hanao izay ifanarahana tamin'ny Isiraelita. Saingy, tsy nanolo-tena tanteraka hanaraka ny Andriamanitry ny Isiraely toy ny nataon-dRahaba ny Gibeonita, fa nampiasa fitaka kosa.
Araka ny lalan'i Mosesy dia azo atao ny mahafantatrany sitrapon'Andriamanitra amin'ny toe-javatra tahaka izany (Nom. 27:16-21). Tokony ho nanontany ny sitrapon'i Jehovah i Josoa ka tsy ho nahazo azy ny famitahan'ireo Gibeonita.
Ny adidy fototra natao hiantsorohan'ny mpitarika notendren'Andriamanitra, sy ny mpitarika kristianina rehetra, dia ny mikatsaka ny sitrapon'Andriamanitra (1 Tant. 28:9; 2 Tant. 15:2; 2 Tant. 18:4; 2 Tant. 20:4). Noho ny fanaovana tsinontsinona izany dia voatery nisafidy ny Isiraelita, na handika ny fepetra fototra hahazoana ny tany na handika ny fianianana natao tamin'ny anaran'i Jehovah, izay samy nanan-kery.
Impiry ianao no efa tojo fahasahiranana manoloana ny soatoavina ara-Balboly anankiroa toa mifanohitra?