Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 : FITIAVANA MIORINA AMIN’NY FANEKENA - Ny Fitiavan’Andriamanitra mandrakizay

Daty
Alahady 05 January 2025

Mazava ny ambaran'ny Soratra Masina: tia ny olon-drehetra Andriamanitra. Ny andalan-teny be mpahalala indrindra ao amin'ny Soratra Masina no manambara izany fahamarinana izany, dia ny Jao. 3:16: "Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay."

Vakio ny Sal. 33:5 sy ny Sal. 145:9. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo mikasika ny fahalehibeazan'ny famindrampon'Andriamanitra sy ny fiantrany?

Mety misy mihevitra fa tsy mendrika ny hotiavina ny tenany, na koa hoe tia ny olona rehetra afa-tsy izy Andriamanitra. Tsy mitsaha-milaza anefa ny Baiboly fa ny olombelona rehetra no tian'Andriamanitra. Tsy misy olona ankahalainy. Ary satria tia ny olona rehetra Izy dia tiany koa raha ho voavonjy ny rehetra.

Vakio ny 2 Pet. 3:9; 1 Tim. 2:4 ary ny Ezek. 33:11. Inona no amplanarin'ireo toko sy andininy ireo antsika momba ny fanirian'Andriamanitra hamonjy ny olon-drehetra?

Izao no anampian'ny andalan-teny aorian'ny Jao. 3:16 izany: "Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao." - Jao. 3:17. Raha niankina tamin Andriamanitra irery dia tiany raha mandray ny Fitiavany ny olona rehetra ka ho voavonjy. Tsy hanery na iza na iza handray izany Fitiavana izany anefa Izy. Manana fahafahana handray na handà izany ny olona rehetra.

Ary na dia mandà izany Fitiavana izany aza ny olona sasany dia mbola tia azy ireo hatrany Andriamanitra. Izao no ambarany amin'ny olony ao amin'ny Jer. 31:3: "Fitlavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nar nampaharetako famindrampo ho anao." Fampianarana averimberin'ny Baiboly ao amin'ireo boky hafa ao aminy ny maha-maharitra mandrakizay ny fitiavan'Andriamanitra (jereo, ohatra, ny Sal. 136). Tsy mety ritra ny fitiavan'Andriamanitra fa maharitra mandrakizay. Sarotra ho antsika ny hahatakatra izany satria mora matetika ny tsy ho tia ny hafa, sa tsy izany?

Raha azon'ny tsirairay atao anefa ny mianatra ny fanandramana momba ny maha-zava-misy marina izany fitiavana izany izany hoe, manandrana manokana ny fitiavan'Andriamanitra hanao ahoana ny ho fahasamihafan'ny fomba fiainantsika sy ny fitondrantsika ny hafa!

Raha tia ny olon-drehetra Andriamanitra, dia midika izany fa tiany koa ireo olona tsy maha-te ho tia loatra, misy tokoa mantsy izany (betsaka izy ireo, raha ny marina). Inona no ampianarin'ny fitiavan'Andriamanitra ireny olona ireny momba izay tokony ho fihetsitsika koa manoloana azy ireny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal