Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 05 July 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 18:3,4; Eks. 3:1-22; Gen. 22:11,15-18; Eks. 6:3; Joe. 3:5; Eks. 4:1-31; Gen. 17:10,11.

Tsianjery: " Ary hoy Jehôvah : Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony; dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin’ny tànan’ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin’izany tany izany ho any amin’izay tany soa sy malalaka, dia any amin’izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin’ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amodia sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita. " – Eks. 3:7,8.

FAMPIDIRANA

Matetika manova ny lalam-piainantsika ny fiantsoan’Andriamanitra antsika. Kanefa, raha manaraka izany antso izany isika, dia hahita fa ny lalan’Andriamanitra no lalana tsara indrindra ho antsika. Na izany aza, indraindray — amin’ny voalohany — dia tsy mora ny manaiky ny antso avy amin’Andriamanitra.

Izany no nahazo an’i Mosesy rehefa nantsoin’Andriamanitra izy, izay nanomboka tamin’ny fihaonany manokana tamin’ny Tompo teo amin’ilay roimemy nirehitra. Na fantatr’i Mosesy na tsia ny lalàna momba ny fandoroana, dia fantany kosa fa zava-mahagaga no natrehin’ny masony, ary nahasarika ny sainy tokoa izany. Tsy isalasalana fa niantso azy hanao asa manokana ny Tompo. Ny fanontaniana mipetraka dia: hamaly ny antso ve izy, na inona na inona fiovana goavana entin’izany eo amin’ny fiainany? Tsy dia narisika loatra izy tamin’ny voalohany.

Angamba tsaroanao ny fotoana nanananao tanjona manokana hotra- trarina, saingy nanova izany drafitra izany Andriamanitra. Marina fa azon’Andriamanitra ampiasaina amin’ny fomba maro isika, saingy ny fanekena ny antson’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, sy ny fanatanterahana izay asainy ataontsika, no azo antoka fa lalana mankany amin’ny fiainana mahafa-po indrindra. Mety tsy ho mora mandrakariva izany, ary tsy mora tamin’i Mosesy izany, saingy hadalana tokoa ny mizotra any amin’izay tiantsika raha toa ka efa miantso antsika Andriamanitra hizotra amin’ny lalana hafa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal