Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ilay roimemy nirehitra.

Daty
Alahady 06 July 2025

Taorian’ny nandosiran'i Mosesy tany Midiana, dia azo lazaina ho mora ny fiainany. Nanambady izy, nanan-janaka roa lahy, Gersoma sy Eliezera (Eks. 18:3,4), ary isan’ny fianakavian’i Jetro, izay rafozany sady mpisorona tany Midiana. Nilamina nandritra ny 40 taona izy tamin’ny naha-mpiandry ondry azy, tahaka an’i Davida (2 Sam. 7:8), nisitraka ny fanatrehan’Andriamanitra, indrindra teo amin’ny zavaboary.

Na izany aza, tsy hoe nanoroka voninkazo fotsiny no nandaniany ny fotoany (na angamba eto, ny raketa tany an’efitra?). Nanova sy nanomana azy ho amin’ny andraikitra maha-mpitarika ireo taona niarahany nandeha tamin’ny Tompo ireo. Tany amin’io tany efitra mangina io koa no nampiasan’Andriamanitra an’i Mosesy mba hanoratany, araka ny tsindrimandry avy Aminy, ireo boky roa tranainy indrindra ao amin’ny Baiboly, dia ny Joba sy ny Genesisy (jereo ny PM, ed. 1985, t. 248; Francis D. Nichol, et al., eds., The SDA Bible Commentary, b. 3, t. 1140).

Nahazo fahalalana manan-danja avy amin’Andriamanitra momba ny fifanandrinana lehibe eo amin’ny tsara sy ny ratsy, ny Famoronana, ny Fahalavoana, ny Safodrano, sy ny patriarika koa i Mosesy, ary ny tena zava-dehibe indrindra, naseho azy ny drafi-pamonjena. Araka izany dia nanana anjara lehibe tamin’ny fampitana ny fahalalana marina an’llay Andriamanitra velona, Mpamorona sy Mpanohana antsika, i Mosesy, ary koa ny fahalalana momba izay ataon’Andriamanitra manoloana ny fahotana nandrava ity planeta ity - ho an’ny taranak’olombelona manontolo. Tsy dia misy heviny loatra ireo tantara ao amin’ny Baiboly sy ny tantaran’ny famonjena raha tsy misy ny fototra manan-danja izay nampitain’i Mosesy tamintsika araka ny tsindrimandry nomen’Andriamanitra azy, indrindra ao amin’ny bokin'ny Genesisy.

Vakio ny Eks. 3:1-6. Mety hidika inona ny nanehoan’Andriamanitra ny Tenany tamin'i Mosesy ho llay “Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’lsaka ary Andriamanitr’i Jakoba”?

Hitan’i Mosesy fa tsy levon’ny afo ilay roimemy nirehitra, koa fantany fa fahagagana izany, ary nampoiziny fa hisy toe-javatra miavaka sy manan-danja hiseho eo anoloany. Rehefa nanatona izy, dia nasain’ny Tompo nanala ny kapany ho mariky ny fanajana lalina, satria nahatonga ilay toerana ho masina ny fanatrehan’Andriamanitra.

Naneho ny tenany tamin’i Mosesy ho llay “Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’lsaka ary Andriamanitr’i Jakoba” ny Tompo. - Eks. 3:6. Nampanantena ireo patriarika ireo Andriamanitra fa handova ny tany Kanana ny taranany, ary fantatr’i Mosesy tsara izany teny fikasana izany. Araka izany dia nosokafan’Andriamanitra sahady ny lalana mba hahafantaran’i Mosesy izay hitranga sy ny andraikitra lehibe hotanany.

Nila 80 taona i Mosesy vao hitan'Andriamanitra fa vonona ho amin’ny asany. Inona no ampianarin’io fahamarinana io antsika momba ny faharetana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fampidirana
Sun 06 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ilay roimemy nirehitra.
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Tue 08 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Wed 09 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Thu 10 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Fri 11 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Jun 2025
TELOVOLANA 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sun 29 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal