Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: NY BOKIN'NY GENESISY, FOTOTRA - ny menarana.

Daty
Alakamisy 10 April 2025

Lohahevitra manan-danja ao amin'ny bokin'ny Apôkalipsy ny fiankohofana. Antsoina hoe "dragona" ilay tompon'ny fiankohofana sandoka sy mpitaona ny olona ho amin'izany (Apôk . 13:2-4), ary tsy kisendrasendra ny amaritana azy ho menarana. Mampahatsiahy antsika mazava ny tao Edena izany, izay nitaoman'ny menarana an'i Adama sy i Eva hanaraka azy ao anatin'ny fikomiany amin'ny Mpahary.

Ampitahao ny Gen. 3:1-5 sy ny Apôk. 12:1-9. Inona ny lohahevitra Itovian'ireo tantara roa ireo? Diniho ireo tsipiriany omena antsika momba ny menarana ao amin'ny Genesisy; ahoana no anampian'izany antsika hahafantatra ireo olana sasantsasany nahatonga ilay ady tany an-danitra voalaza ao amin'ny Apôkalipsy?

Misy tantara anankiroa ao amin'ny Soratra Masina, izay amitahan'i Satana an'izao tontolo izao: ao amin'ny Genesisy, izay tsy ahitana afa-tsy olona roa; ary ao amin'ny Apokalipsy, izay ilazana an'i Satana hoe: "izay mamitaka izao tontolo izao" - Apôk. 12:9, sy mitaona "ny tany rehetra" hiankohoka aminy (Apôk. 13:2-4). Anisan'ny lohahevitra hita ao amin'ny faminaniana ara-Baiboly ny toetra tsy miovaova ananan'ilay fifanandrinana lehibe. Tsy miova ny toetran'Andriamanitra sy ny Teniny, tahaka izany koa ny fikasan'ny devoly.

Soa ihany fa noho io toetra tsy miovaovan'ilay fifanandrinana lehibe io, ary satria koa misy filazana mazava ao amin'ny faminanian'ny Soratra Masina, dia azon'ny Kristianina avahana tsara ireo fironana isan-karazany, ary manjary hitany ireo fandrika ara-panahy amelezana azy. Tsy hiova mihitsy ny toetran’Andriamanitra, ary toy izany koa ny devoly. Mety hanova ny endriny injato inarivo i Satana, kanefa ny tantaran'ny fahalavoan'ny olombelona tao anatin'ny arivo taona maro, sy ny voalazan'ny faminaniana ao amin'ny Apôkalipsy, dia manaporofo fa tsy miala amin'ilay drafitra efa narahiny hatrany Edena mihitsy izy. Nampanantena fahendrena sy fahaiza-manavaka antsika Andriamanitra (Jak. 1:5), ary satria azontsika antoka ny Soratra Masina dia tsy voatery ho latsaka ao amin'ny fandriky ny laingan'ny devoly isika. Indrisy anefa fa marobe ireo efa latsaka tamin'izany, ary marobe koa no mbola ho latsaka.

Eritrereto ny amin'ny fivoaran'ny kolontsaina araka ny fandehan'ny fotoana. Miova ireo fifsipika eo amin'ny fiarahamonina; ireo zavatra azo nekena fahiny manjary tsy azo ekena ankehitriny, na ny mifamadika amin'izany. Raha fantatra fa tsy miova ireo lohahevitra sy ireo mpandray anjara amin'ilay fifanandrinana lehibe, inona no tokony ho ao an-tsain'ny Kristianina eo am-pandinihany ny fiovaovan'ny kolontsaina? Aiza ho aiza ao amin'ny kolontsaina misy antsika ankehitriny, ohatra, no ahitana ilay laingan'ny devoly tany am-piandohana hoe: "Tsy ho faty tsy akory hianareo" sy ny hoe: "ho tahaka an'Andriamanitra hianareo"?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal