Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: ANKASITRAHAN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 11 January 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Lio. 15:11-32; Zef. 3:17; Efes. 5:25-28; Isa. 43:4; Rom. 8:1; Rom. 5:8; Mar. 9:17-29.

Tsianjery:

"Jehôvah Andriamanitrao no ao aminao, mahery Izy ka hamonjy; hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; ho sondriana amin'ny fitiavany Izy: hifaly anao amin'ny fihobiana Izy." - Zef. 3:17.

Hevero ity tantara ity: Manatona ny rainy ny tovolahy kely iray 5 taona, miaraka amin'ny fanomezana kely tsy dia tsara fono, fa fetin'ny ray tamin'izay. Faly erý izy nanolotra ilay fanomezana an-drainy.

Alao sary an-tsaina ny rainy milaza hoe: "Ry zanako, tsy ahoako ny fanomezanao. Tsy misy na inona na inona azonao omena ahy rahateo, ka mety ho sitrako. Na inona na inona omenao ahy, izaho ihany dia mahavidy izany ho an'ny tenako. Na inona na inona omenao ahy dia ny volako ihany, na ny fitaovana izay novidiko ihany no nahazoanao azy. Koa hazony ihany ny fanomezanao. Tsy ilaiko na tiako izany. Kanefa tiako foana ianao."

Ooh!

Ahoana ny hevitrao ny amin'ny fihetsik'io raim-pianakaviana io? "Mafy fo", "feno fangatsiahana", "feno tsy firaihana", teny toy izany no tonga ao an-tsaina. Tahaka izany ve ny fihetsik'Andriamanitra amintsika? Haintsika tokoa ve ny hankasitrahan'Andriamanitra? Na sarotra aza ny mahazo an-tsaina izany, na olombelona lavo, simban'ny fahotana ary mora mirona ho amin'ny ratsy aza isika, dia afaka mahafaly an'Andriamanitra! Izany hoe tsy toy ny an'io raim- pianakaviana io ny fijerin’Andriamanitra antsika sy ny fanomezana entintsika ho Azy. Ny mifanohitra amin'izany aza, ankasitrahan'Andriamanitra isika, saingy amin'ny alalan'i Kristy irery ihany.

*Famerenana ny lesona ny sabata 18 Janoary.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal