Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: ANKASITRAHAN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 11 January 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Lio. 15:11-32; Zef. 3:17; Efes. 5:25-28; Isa. 43:4; Rom. 8:1; Rom. 5:8; Mar. 9:17-29.

Tsianjery:

"Jehôvah Andriamanitrao no ao aminao, mahery Izy ka hamonjy; hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; ho sondriana amin'ny fitiavany Izy: hifaly anao amin'ny fihobiana Izy." - Zef. 3:17.

Hevero ity tantara ity: Manatona ny rainy ny tovolahy kely iray 5 taona, miaraka amin'ny fanomezana kely tsy dia tsara fono, fa fetin'ny ray tamin'izay. Faly erý izy nanolotra ilay fanomezana an-drainy.

Alao sary an-tsaina ny rainy milaza hoe: "Ry zanako, tsy ahoako ny fanomezanao. Tsy misy na inona na inona azonao omena ahy rahateo, ka mety ho sitrako. Na inona na inona omenao ahy, izaho ihany dia mahavidy izany ho an'ny tenako. Na inona na inona omenao ahy dia ny volako ihany, na ny fitaovana izay novidiko ihany no nahazoanao azy. Koa hazony ihany ny fanomezanao. Tsy ilaiko na tiako izany. Kanefa tiako foana ianao."

Ooh!

Ahoana ny hevitrao ny amin'ny fihetsik'io raim-pianakaviana io? "Mafy fo", "feno fangatsiahana", "feno tsy firaihana", teny toy izany no tonga ao an-tsaina. Tahaka izany ve ny fihetsik'Andriamanitra amintsika? Haintsika tokoa ve ny hankasitrahan'Andriamanitra? Na sarotra aza ny mahazo an-tsaina izany, na olombelona lavo, simban'ny fahotana ary mora mirona ho amin'ny ratsy aza isika, dia afaka mahafaly an'Andriamanitra! Izany hoe tsy toy ny an'io raim- pianakaviana io ny fijerin’Andriamanitra antsika sy ny fanomezana entintsika ho Azy. Ny mifanohitra amin'izany aza, ankasitrahan'Andriamanitra isika, saingy amin'ny alalan'i Kristy irery ihany.

*Famerenana ny lesona ny sabata 18 Janoary.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (7)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal