Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.

Daty
Alatsinainy 13 April 2026

Nisy lehilahy roa nankany am-piangonana mba hivavaka. Ny iray dia loholona manan-kaja izay mijoro eny aloha alohan'ny fanombohan'ny fotoam-pivavahana, eo anatrehan'ny fiangonana mba hahitan'izy ireo azy. Mivavaka amin'ny feo avo izy, ary misaotra an'Andriamanitra noho ny fahatsarana izay heveriny fa ananany. Ilay lehilahy iray hafa kosa, dia olona izay ailiky ny fiarahamonina; any aoriana indrindra ao amin'ny fiangonana no ijoroany. Manganohano ny masony noho ny vesatra napetraky ny fahotana eo an-tsorony. Eo an-joron'ny trano fiangonana по andohalehany sy ibitsibitsihany amin'alahelo hoe: "Andriamanitra ó, mamindra fo amiko mpanota!"

Vakio ny Lio. 18:9-14. Inona no hevitrao momba ireo lehilahy roa ireo? Nanao ahoana ny fomba fijerin'i Jesôsy azy ireo? Inona no lesona manan-danja ho antsika rehetra eto?

Mora dia mora amintsika ny manandra-tena. Manjary fahazarantsika aza indraindray ny mampahafantatra ny hafa ny zava-bitantsika sy ny fahaizantsika. Kanefa ireny rehetra ireny dia tsy manova na inona na inona amin'ny fomba fijerin'ny lanitra antsika. Raha ny marina aza dia mifanohitra amin'izay mety ho eritreritsika no izy, satria "izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra." Lio. 18:14. Manoro hevitra antsika koa i Jesosy mba hifidy ny toerana ambany indrindra ka hamela ny tompon-trano hanandratra antsika raha sitrany izany (Lio. 14:8-10). Izany fanjakana mitsimbadika, izay ampianarin'i Jesosy izany, dia mifanohitra amin'izay mety andrasantsika. "Izay mahalala ny tenany fa mpanota ihany no azon'i Kristy vonjena." - HF, t. 154.

Rehefa tsapantsika ny maha mpanota antsika sy ny filantsika fatratra an'i Kristy. dia hanatona Azy isika satria matoky fa "raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra." - 1 Jao. 1:9.

Arakaraka ny anakaikezantsika an'i Kristy no ahatsapantsika fa mpanota sy tsy mendrika isika. "Ny fibanjinantsika an'i Kristy ihany no fomba tokana hahazoantsika fahalalana marina ny amin'ny tenantsika. Ny tsy fahalalana Azy no mahatonga ny olona hanandra-tena toy izany ao amin'ny fahamarinan-tenany." - HF, L. 155.

Araka izany, manao ahoana ny fijerin'Andriamanitra an'ireo izay miavonavona? Hoy ny 1 Pet. 5:6 amintsika "fa Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena." Mazava dia mazava izany.

Oviana ny fanandramana farany niainanao mikasika ny fahasoavan'Andriamanitra? (Tokony ho isan'andro tokoa no hiainantsika izany fanandraman'ny fahasoavana izany). Aoka ihany koa isika haneho fahasoavana amin'ny hafa. Manokàna fotoana fohy hivavahana izao, angataho Andriamanitra mba hanampy anao hilefitra eo ambanin'ny Tanany mahery, ka Izy irery no afaka hanandratra anao amin'ny fotoana voatendriny.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal