Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah

Daty
Alahady 19 October 2025

KOMANDIN'NY MIARAMILAN'I JEHÔVAH 

Vakio ny Jos. 5:13-15. Inona no ambaran'ireo andininy ireo momba ny tontolon-kevitra manodidina ny nahazoana ny tany Kanana?

Vao avy niampita an'i Jordana ny Isiraely ary niditra ny tanin'ny fahavalo. Eo anoloan'izy ireo ny tanana mimandan'i Jeriko, mihidy mafy ny vavahadiny (Jos. 6:1). Tsy nahafantatra izay tetika hoenti-miady akory ny vahoaka tamin'io fotoana io. Ary ny nampanahy kokoa aza dia tsy nanana afa-tsy antsamotady, lefona, ary zana-tsipika ny Isiraely teo anatrehan'ilay tanana voaro mafy mba hahazaka fahirano mandritra ny fotoana maharitra.

Valiny manjavozavo no azon'i Josoa rehefa nanontany ny mombamomba ilay vahiny hafahafa izy: "Tsia" hoy izy. Ny valin-tenin'ilay vahiny dia manambara fa tsy vonona hiandany na amin'ny andaniny na amin'ny ankilany nofaritan'i Josoa Izy. Raha lazaina amin'ny teny hafa, ny fanontaniana lehibe tokony hipetraka dia tsy hoe miandany amin'i Josoa ve Izy, fa izao kosa: i Josoa ve miandany Aminy?

Ampitahao amin'ny 2 Mpanj. 6:8-17, Neh. 9:6, ary ny Isa. 37:16 ny Jos. 5:14,15. Inona no hitanao eto momba Ilay Komandin'ny miaramilan'i Jehôvah ?

Miavaka tokoa ilay andian-teny hoe: "Komandin'ny miaramilan'i Jehovah" ao amin'ny Baiboly Hebreo, ary ny fitambaran'ny teny hoe "komandy" sy "miaramila" dia manondro mpitari-tafika mandrakariva. Ny teny hoe "tafika" ao amin'ny Soratra Masina dia mety manondro vondrona miaramila, anjely maro, na zavatra eny amin'ny lanitra.

Niseho tamin'i Josoa i Kristy talohan'ny nahatongavany ho nofo, tsy toy ny iray laharana aminy, na toy ny Komandin'ny tafik'Isiraely koa aza, fa amin'ny aha-Komandin'ny tafiky ny anjely Azy, izay tsy hita maso nefa tena misy, izany hoe tafiditra ao anatin'ny ady lehibe lavitra noho ny an'i Josoa tamin'ny Kananita Izy. Ny fihetsik'i Josoa dia manondro mazava ny fahatakarany ny momb Ilay Komandy. Mitovy amin'Andriamanitra Izy, ary niankohoka teo anatrehany mombamomba i Josoa ho mariky ny fanajana lalina Azy sy fivavahana Aminy (Jos. 5:14; Gen. 17:3; 2 Sam. 9:6; 2 Tant. 20:18). Vonona i Josoa handray ny toromarika hoenti-miady, dia tetikady fanafihana, izay ampahany manan-danja amin'ny ady lehibe lavitra izay idiran'llay Andriamanitry ny maro an-tsehatra mihitsy.

Inona ny fampaherezana azontsika, sy tokony horaisintsika, amin'ny fahafantarantsika fa miditra an-tsehatra miaro ny vahoakany ny "Komandin'ny miaramilan'i Jehôvah "?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal