Araka ny efa hitantsika dia miantso mpaminany amin'ny fotoana voafaritra sy manome azy ireo asa manan-danja hotanterahina Andriamanitra. Ny tena asan'izy ireo dia ny mitarika ny olona ho amin'ny fahalalana an'Andriamanitra sy ho amin'ny fifandraisana mahatoky Aminy. Araka izany tokoa ny fiainan'i Ellen G. White. Ireto roa ireto no tena nifantohan'ny asa fanompoany: ny mitarika ny olona ho eo amin'i Jesosy sy ny mampiseho aminy ny Teniny — dia ny Baiboly.
Nanam-pitiavana mafana an'i Jesosy i Ellen G. White nandritra ny fiainany manontolo, ary faniriany ny hizara ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny hafa. Ny andian-boky dimy malaza nosoratany, "The Conflict of the Ages" (izany hoe, ny andiam-boky: Patriarika sy mpaminany, Mpaminany sy mpanjaka, Ilay fitiavana mandresy, Vavolombelona mahery, Hery mifanandrina), dia manomboka sy mifarana amin'ny teny hoe "Andriamanitra dia fitiavana." Ao amin'ny boky "Ny Dia ho eo amin'i Kristy", izay azo lazaina ho boky malaza indrindra nosoratany, dia hoy izy: "Ny fitomboantsika amin'ny fahasoavana sy ny fifaliantsika, ary ny soa mety ho vitantsika, dia samy miankina amin'ny fikambanantsika amin'i Kristy avokoa. Noho ny firaisantsika aminy isan'andro sy isan'ora — eny, noho ny itoerantsika ao Aminy — no itomboantsika amin'ny fahasoavana. Tsy Tompon'ny finoantsika ihany Izy, fa Mpanefa azy koa." - DHK, t. 80.
Nandritra ireo taona 1890, raha mbola teo am-panoratana ny "Ilay fitiavana mandresy" izy, dia nanoratra tao amin'ny diariny hoe: "Tohina lalina ny foko rehefa manoratra mikasika ny fiainan'i Kristy aho. Hadinoko aza indraindray ny miaina araka ny tokony ho izy. Tsy zakako ny hamafin'ny fihetsehampo ato anatiko rehefa misaintsaina izay niaretan'i Kristy teto amin'izao tontolo izao aho." - Ms, 70, 1897. Tian'i Ellen G. White tokoa ny niresaka momba an'i Jesosy.
Ny Baiboly no ivo faharoa nifantohan'ny asa fanompoan'i Ellen White. Toy izao no lazainy: ny asa sorany dia "fahazavana kely" mitondra ny olona ho amin'ny "fahazavana lehibe kokoa" — dia ny Baiboly (SIM, b. 3, t. 29). Nampirisika ny olona hamaky ny Soratra Masina mandrakariva izy, fa ao no anambaran'Andriamanitra ny toetrany be fitiavana sy ny drafi-panavotana. Araka ny nolazainy tany am-piandohan'ny asa fanompoany hoe: "Ny tenin'Andriamanitra, ry mpamaky malala, no ampirisihiko hataonareo ho fitsipiky ny finoanareo sy ny fiainanareo." - SIM, b. 3, t. 30.
Nanoratra toy izao izy taona maro tatỳ aoriana: "Fanirian'ny Tompo ny handinihanao ny Baibolinao. Tsy nanome fahazavana fanampiny ho solon'ny Teniny Izy. (...) Raha hanina sy tsakotsakoina [ny Teniny], dia toy ny rà manome aina ny fanahy. Koa dia ho hita ho toy ny fahazavana mamirapiratra ao anatin'ny haizina ny asa tsara." - Letter 130, 1901.
Nino koa i Ellen G. White fa izay rehetra milaza ho mpaminanin'i Kristy dia tsy maintsy "hampianatra izay efa nampianarin'i Kristy (...). Izay nolazainy, tsy Izy tenany fotsiny, fa izay tamin'ny alalan'ny mpaminany sy ny mpampianatra ao amin'ny Testamenta Taloha, dia voafaoka eto. Any ivelany ny fampianaran'olombelona." - IFM, t. 885.
Nataon'i Ellen G. White ho ivon'ny fiainany amin'ny maha Kristianina azy i Jesosy sy ny Soratra Masina. Ho hitantsika amin'ny Zoma manaraka ny fomba fijeriny momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin'Andriamanitra.
Azonao tsidihina ny https://whiteestate.org/absg/4.