Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 18 April 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Fit. 3:22,23, 2 Tim. 3:15-17: Jao. 17:17, Efes. 1:13, Sal. 119:11:1 Kor. 2:14.

Tsianjery

"Fa velona sy mahery ny tenin ‘Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo- Heb. 4:12.

Ny Baiboly. Tsy isalasalana fa manana iray lanao, na angamba maromaro. Teo amin'ny tantara, ity boky sarobidy ity dia nadika tany amin'ny miafina, nampidirina an-tsokosoko, ary norarana. Izy no boky natonta betsaka indrindra eran-tany, amin'ny fiteny rehetra, ary anisan'ny tranainy indrindra koa. Nisy ireo namoy ny ainy ha fiarovana ny Baiboly.

Aiza no toerana misy ny Baiboly eo amin'ny fiainanao? Vakinao ve izany sa mipetraka eo an-doham-pandrianao na eo amin'ny fitoeram-boky manangom-bovoka fotsiny? Be erehina loatra ve ianao eo amin'ny fiainana ka tsy mahita fotoana handalinana marina ny Tenin'Andriamanitra sa mahatsiaro ho reraka loatra ka tsy mahavita manokatra ny pejiny? Velona sy mahery ny Tenin Andriamanitra, ary miantso anao Andriamanitra mba hamela izany hiteny amin'ny fonao, hampahery anao, hanitsy sy hanova anao. ary hitari-dalana sy hanome anao fanantenana.

Ny Baiboly dia tsy boky fianarana na boky mirakitra tantara fahiny fotsiny. Manambara amin'ny fomba kanto sy lalina kosa izany ny amin'ny fiezahan'llay Mpahary izao rehetra izao hitaona antsika hanakalky Azy. Raha manam-paniriana hitombo amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra ianao, ny zavatra tsara indrindra azonao atao dia ny manokana fotoana iarahana Aminy isan'andro amin'ny alalan'ny vavaka, ny famakiana ny teniny masina, sy ny fampileferanao ny sitraponao hifanaraka amin izay ampianariny.

*Famerenana ny lesona ny sabata 25 Aprily.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal