Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.

Daty
Alarobia 29 October 2025

SAFIDY MALALAKA

Vakio ny Deo. 20:10, 15-18 sy ny Deo. 13:12-18 ary ny Jos. 10:40. Manampy antsika hahatakatra ireo famerana ny fandravana tanteraka nandritra ny ady nataon'ny Isiraelita ny lalan'ny ady sy ny dingana napetraka harahina mahakasika ny tanana mpanompo sampy teo amin'ny Isiraely, izay voalaza ao amin'ny Deoteronomia. Amin'ny fomba ahoana?

Voambolana tokana no ampiasain'ny lahatsoratra hebreo hoenti-manondro ny fandringanana ny olona ao anatin'ny ady: cherem. Manondro izay "voarara" na "voaozona" na koa "natokana haringana izany teny izany. Matetika izany no manondro ny toerana tsy azo ovana izay ametrahana ny olona na biby na koa zavatra ho eo ambany fifehezan Andriamanitra tanteraka. Ao anatin'ny ady, matetika, dia midika ho fandringanana ilay biby na olona na zavatra izany. Ny hevitry ny cherem sy ny fampiharana izany amin'ny maha-fandringanana tanteraka ny vahoaka iray ao anatin'ny ady misy azy, dia tokony ho takatra ao anatin'ny tontolon-kevitry ny ady ataon'Andriamanitra amin'ireo herin'ny ratsy, ady izay mahakasika mivantana ny toetrany sy ny maha-Izy Azy.

Averina indray fa hatramin'ny nidiran'ny fahotana teto amin'izao tontolo izao, dia tsy misy afaka mijoro eo anelanelany, fa na miandany amin'Andriamanitra ny olona iray na manohitra Azy. Ny fanarahana ny andaniny dia mitarika ho amin'ny fiainana, ny fiainana mandrakizay: ny ankilany kosa dia mankamin'ny fahafatesana, ny fahafatesana mandrakizay.

Aseho ho fitsarana ara-drariny ataon'Andriamanitra manoloana ny fahotana sy ny faharatsiana ny fandringanana tanteraka. Napetrak'Andriamanitra tamin'ny fomba manokana tamin'ilay firenena nofidiny, Isiraely fahiny, ny andraikitra amin'ny fanatanterahana ny ampahany amin'ny Fitsarany. Teo ambany fifehezana hentitra nataon'Andriamanitra ny fandringanana, ary voafetra ho an'ny vanim-potoana iray teo amin'ny tantara, sy ady iray ary toerana iray voafaritra tsara, dia ny tany Kanana fahiny izany. Araka izay hitantsika omaly, ireo izay niharan'ny fandringanana dia nikomy mandrakariva tamin'ny fikasan'Andriamanitra sy nihaika ireny ary koa tsy mba nibebaka. Araka izany, dia tsy anjoanjo na koa fiangarana manokana ny firenena iray ny fanapahan-kevitr'Andriamanitra ny handringana azy ireo.

Hiharan'ny fandringanana toy izany koa Isiraely raha toa manapa-kevitra ny hanaraka ny fomba fiainan'ireo Kananita (jereo ny Deo. 13). Na dia toy ny efa voafaritra mialoha aza ireo sokajin'olona hiditra ao amin'ny laharan'ny andaniny sy ny ankilany (natao handova ny tany ireo Isiraelita ary natao horavana ireo Kananita), dia azo heverina ny hifindrana avy ao amin'ny sokajy iray mankamin'ny ankilany, araka izay ho hitantsika ao amin'ny tantaran-dRahaba sy i Akana ary ireo Gibeonita.

Tsy kisendrasendra ny fiarovana ny vahoaka iray na ny fanozonana azy, Ireo nahazo tombontsoa avy tamin'ny fifandraisana amin'i Yahweh dia mety hamery izany tombontsoa ananany izany amin'ny alalan'ny fikomiana, ary ireo izay voaozona dia mety hilefitra amin'ny fahefan'i Yahweh ka ho velona.

Inona no fiantraikany ara-panahin'ny fanoheran'ireo Kananita an'Andriamanitra eo amin'ny tontolon-kevitra misy antsika ankehitriny? Raha lazaina amin'ny teny hafa, miteraka inona ho antsika ny safidy malalaka ananantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal