Vakio ny 2 Pet. 1:18-21. Inona no antoka ananantsika fa ireo hafatra am-bava nentin'ny mpaminanin'Andriamanitra dia avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra sy azo itokiana tahaka ireo hafatra voasoratra ihany?
Niteny tamin'i Adama sy i Eva Andriamanitra talohan'ny Fahalavoana (Gen. 2:16,17) sy taorian'izany (Gen. 3:9-19). Amin'ireo tranga roa ireo dia nahatakatra tsara ny Teniny izy ireo. Toy izany koa, re mazava tsara ny feony tao Sinay (Eks. 20:1-20), ary koa tamin'ny batisan'i Jesosy sy ny fiovan-tarehiny teo an-tendrombohitra (Mat. 3:17; Mat. 17:5). Mety hisy tsy fahazoan-kevitra rehefa miresaka amintsika ny olona, saingy rehefa Andriamanitra no miteny amin'ny olona iray, dia tsy hisy hevitra manjavozavo na famitahana amin'izany.
Manamafy izany ny Baiboly: "Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehôvah " - Eks. 6:2. Maro ireo mpanoratra ny Baiboly nanamafy fa nandre ny feon'Andriamanitra niteny taminy. Toy izany, ohatra, i Isaia (Isa. 8:1,11), i Jeremia (Jer. 1:4,9,11), ary i Ezekiela (Ezek. 3:16; Ezek. 6:1). Ny fiezahana handà ireo filazana ireo dia miafara amin'ny fisalasalana momba ny fahamarinan'ny mpaminany sy ny maha azo antoka na tsia ny Baiboly.
Tahaka ny nitenenan'Andriamanitra tamin'ny mpaminany tamin'ny alalan'ny fiteny azon'ny olombelona, dia toy izany koa no nitenenany tamin'ireo olona nandray ny hafany. I Noa, ohatra, dia mpaminanin'Andriamanitra ary "mpitory ny fahamarinana" nahatoky (2 Pet. 2:5). Tsy nanoratra ampahan-dahatsoratra tao amin'ny Baiboly izy, kanefa nampita am-bava ny hafatr'Andriamanitra tamin'ireo olona niara-belona taminy, ary tsy latsa-danja amin'ireo asa soratry ny mpaminany izay raketin'ny Baiboly ny hafatra nentiny, satria avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra koa.
Mpaminany maro hafa koa, anisan'izany i Natana, i Elia, i Elisa, ary i Jaona Mpanao Batisa, no tsy mba nanoratra boky ao amin'ny Baiboly, fa nampita ny hafatr'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fitenenana am-bava.
Ary ahoana kosa ny amin'i Jesôsy Kristy? Raketin'ny Filazantsara fa "nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany" Izy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany (Jao. 8:6). Izay no ahitantsika an'i Jesôsy manoratra, fa tsy misy ny firaketana hafa ankoatra izany. Nefa i Jesosy dia nampianatra sy nitoriteny "toy izay manana fahefana" - Mat. 7:29. Ny sasany tamin'ireo mpihaino Azy aza dia nilaza mihitsy fa "tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany" (Jao. 7:40,46). I Jesôsy dia tena mpampita ny hafatr'Andriamanitra tokoa tamin'ny alalan'ny fitenenana. Ary tsy nihena ny fahefana sy ny lanjan'ny hafany na dia tsy nanoratra boky aza Izy.
Mahavariana tokoa fa misy mpaminanin'Andriamanitra tsy nanana asa soratra ao amin'ny Baiboly. Nahoana izy ireo no mbola manana fahefana ihany koa?