Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."

Daty
Alakamisy 29 January 2026

Vakio ny Fil. 2:25-30. Ahoana no anoritsoritan'i Paoly an'i Epafrodito? Inona avy ireo fomba amam-panaon'io mpanompo kristianina io izay mampiseho ny toetrany?

Tsy voalaza afa-tsy ato amin'ity epistily ity ny amin'i Epafrodito, kanefa manambara zavatra betsaka momba azy izany filazalazana fohy izany. Raha jerena ny anarany (izay manondro ny fivavahana amin'i «Aphrodite»), dia olona mpanompo sampy niova fo izy. Ny fiantsoan'i Paoly azy hoe "mpiray asa amiko" dia manondro fa nazoto nanompo izy, angamba niara-niasa tamin'i Paoly tany Filipy. Ny hoe "miaramila namako"indray (ampitahao amin'ny Fil. 1:27) dia inoana fa manondro ny ady natrehin'i Epafrodito teo am-pitoriana ny filazantsara, izay saika namoizany ny ainy mihitsy aza (Fil. 2:30).

"Irakareo" (Grika, apostolos) koa no ilazan'i Paoly an'i Epafrodito, izany hoe notendren'ny fiangonana tany Filipy izy, ary nirahina hanompo an'i Paoly tao am-ponja sy hanome izay rehetra mety ho nilainy (Fil. 2:25). Izy no nanankinan'ny Filipianina ireo vola homena an'i Paoly (Fil. 4:18). Tena zava-dehibe ireo fanomezana ireo satria ny sakafo, ny fitafiana, ny fandriana, na ny zavatra hafa mety hilain'ny gadra romana dia tsy maintsy novidina tamin'ny volany manokana na omen'ny fianakaviany sy ny namany ho azy (ampitahao amin'ny Asa 24:23). Tamin'ny faramparan'ny fotoana naha tao an-tranomaizina azy fanindroany tany Roma, dia nangataka an'i Timoty i Paoly hoe: "Mazotoa hankaty alohan'ny ririnina"sy hoe: "ilay kapôtiko navelako tany Troasy (...) dia ento raha mankaty hianao" - 2 Tim. 4:21,13. Nilain'i Paoly ilay akanjony volon'ondry matevina tao amin'ny tranomaizina tranovato mangatsiaka nisy azy. I Epafrodito koa no nanankinana ny fitondrana ity epistily ity niverina tany Filipy (jereo ny VM, tt. 417,418).

Azo inoana fa noho ny olona nisy tany Filipy (jereo ny Lesona 4), dia nihevitra i Paoly fa tokony hampandeha an'i Epafrodito aloha kokoa ho any amin'izy ireo, ka nanafatra ny Filipianina hoe: oraiso ao amin'ny Tempo izy amin'ny fifaliana indrindra» - Fil. 2:29. Tian'i Paoly ho azo antoka fa tsy mitebiteby momba azy any am-ponja izy ireo. Nohamafisiny koa fa olona tokony homen-kaja eo amin'ny Kristianina i Epafrodito, tsy noho ny hareny na ny toerana misy azy eo amin'ny fiarahamonina, fa noho ny toe-tsainy feno fahafoizan-tena amin'ny fanarahana ny ohatr'i Jesosy (Fil. 2:6-11,29,30; ampitahao amin'ny Lio. 22:25-27). Tsy dia fahita firy ao amin'ny TV ny teny grika nadika hoe «omeo voninahitra». Nampiasaina izany nilazana ny mpanompon'ilay kapiteny ao amin'ny Lio. 7:2, sy ireo olona mihaja omena fitoerana aloha any amin'ny fanasana, ao amin'ny Lio. 14:8, ary i Jesôsy , Izay vato velona, fehizoro, vato voafidy sady (Sara» ao amin'ny 1 Pet. 2:4,6. Lehilahy mahatoky tokoa izany i Epafrodito matoa nampidirina ho isan'izany vondrona izany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal