Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FIJOROANA HO VAVOLOMBELON'IREO SAMARITANA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 26 October 2024

SABATA HARIVA
Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 4:1-42; Jao. 3:26-30; Jer. 2:13; Zak. 14:8; Ezek. 36:25-27. 

Tsianjery: "Ary maro koa no nino noho ny teniny ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao." - Jao. 4:41,42 

Iza moa ireo Samaritana? Nobaboin’ny Asirianina ny fanjakana avaratr'Isiraely tamin'ny taona 722 TIK. Mba hisian'ny fahamarinan-toerana ara-pôitika dia naelin'ireo Asirianina manerana ny fanjakan-dehibeny ireo azony ho babo. Nentiny mba honina tany amin'ny fanjakana avaratra ireo babony avy tany amin'ny firenen-kafa, ary ireo no tonga Samaritana, izay nanaraka ny fivavahana jodaisma araka ny fanaony manokana.

Tsy tsara anefa ny fifandraisana teo amin'ireo Samaritana ireo sy ny Jiosy. Ohatra tamin'izany ny nanoheran'ny Samaritana ny fanorenana indray ny tempoly rehefa niverina avy tany Babilôna ireo Jiosy. Nanorina ny tempoliny teo an-tendrombohitra Gerizima ireo Samaritana, saingy narodan'ilay mpanapaka jiosy Jean Hyrcan tamin'ny taona 128 TIK izany tempoly izany.

Mbola nitohy io fifankahalana io tamin'ny andron'i Kristy. Nataon'ny Jiosy araka izay tratrany izay tsy hifampiraharahana amin'ny Samaritana. Nanao fifanakalozana ara-barotra izy ireo, saingy voarara ny fifandraisana ankoatra izany. Tsy azon'ny Jiosy natao ny nindrana tamin'ny Samaritana na nandray fanampiana avy tamin'izy ireo. Ao anatin'izany tontolon-kevitra izany no itantaran’i Jaona ny fihaonan'i Jesôsy sy ilay vehivavy teo am-pantsakana, ary ireo olona tao amin'ny tanana samaritana iray antsoina hoe Sykara. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal