Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FIJOROANA HO VAVOLOMBELON'IREO SAMARITANA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 26 October 2024

SABATA HARIVA
Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 4:1-42; Jao. 3:26-30; Jer. 2:13; Zak. 14:8; Ezek. 36:25-27. 

Tsianjery: "Ary maro koa no nino noho ny teniny ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao." - Jao. 4:41,42 

Iza moa ireo Samaritana? Nobaboin’ny Asirianina ny fanjakana avaratr'Isiraely tamin'ny taona 722 TIK. Mba hisian'ny fahamarinan-toerana ara-pôitika dia naelin'ireo Asirianina manerana ny fanjakan-dehibeny ireo azony ho babo. Nentiny mba honina tany amin'ny fanjakana avaratra ireo babony avy tany amin'ny firenen-kafa, ary ireo no tonga Samaritana, izay nanaraka ny fivavahana jodaisma araka ny fanaony manokana.

Tsy tsara anefa ny fifandraisana teo amin'ireo Samaritana ireo sy ny Jiosy. Ohatra tamin'izany ny nanoheran'ny Samaritana ny fanorenana indray ny tempoly rehefa niverina avy tany Babilôna ireo Jiosy. Nanorina ny tempoliny teo an-tendrombohitra Gerizima ireo Samaritana, saingy narodan'ilay mpanapaka jiosy Jean Hyrcan tamin'ny taona 128 TIK izany tempoly izany.

Mbola nitohy io fifankahalana io tamin'ny andron'i Kristy. Nataon'ny Jiosy araka izay tratrany izay tsy hifampiraharahana amin'ny Samaritana. Nanao fifanakalozana ara-barotra izy ireo, saingy voarara ny fifandraisana ankoatra izany. Tsy azon'ny Jiosy natao ny nindrana tamin'ny Samaritana na nandray fanampiana avy tamin'izy ireo. Ao anatin'izany tontolon-kevitra izany no itantaran’i Jaona ny fihaonan'i Jesôsy sy ilay vehivavy teo am-pantsakana, ary ireo olona tao amin'ny tanana samaritana iray antsoina hoe Sykara. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal