Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FIJOROANA HO VAVOLOMBELON'IREO SAMARITANA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 26 October 2024

SABATA HARIVA
Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 4:1-42; Jao. 3:26-30; Jer. 2:13; Zak. 14:8; Ezek. 36:25-27. 

Tsianjery: "Ary maro koa no nino noho ny teniny ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao." - Jao. 4:41,42 

Iza moa ireo Samaritana? Nobaboin’ny Asirianina ny fanjakana avaratr'Isiraely tamin'ny taona 722 TIK. Mba hisian'ny fahamarinan-toerana ara-pôitika dia naelin'ireo Asirianina manerana ny fanjakan-dehibeny ireo azony ho babo. Nentiny mba honina tany amin'ny fanjakana avaratra ireo babony avy tany amin'ny firenen-kafa, ary ireo no tonga Samaritana, izay nanaraka ny fivavahana jodaisma araka ny fanaony manokana.

Tsy tsara anefa ny fifandraisana teo amin'ireo Samaritana ireo sy ny Jiosy. Ohatra tamin'izany ny nanoheran'ny Samaritana ny fanorenana indray ny tempoly rehefa niverina avy tany Babilôna ireo Jiosy. Nanorina ny tempoliny teo an-tendrombohitra Gerizima ireo Samaritana, saingy narodan'ilay mpanapaka jiosy Jean Hyrcan tamin'ny taona 128 TIK izany tempoly izany.

Mbola nitohy io fifankahalana io tamin'ny andron'i Kristy. Nataon'ny Jiosy araka izay tratrany izay tsy hifampiraharahana amin'ny Samaritana. Nanao fifanakalozana ara-barotra izy ireo, saingy voarara ny fifandraisana ankoatra izany. Tsy azon'ny Jiosy natao ny nindrana tamin'ny Samaritana na nandray fanampiana avy tamin'izy ireo. Ao anatin'izany tontolon-kevitra izany no itantaran’i Jaona ny fihaonan'i Jesôsy sy ilay vehivavy teo am-pantsakana, ary ireo olona tao amin'ny tanana samaritana iray antsoina hoe Sykara. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.
Sun 14 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny trano-lay fihaonana.
Mon 15 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba hahalalako Anao.
Tue 16 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
Wed 17 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny fanambaran’Andriamanitra momba ny tenany.
Thu 18 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Namirapiratra ny tavan’i Mosesy.
Fri 19 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.
Sun 07 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Tsy fahaiza-mitondra.
Mon 08 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fanompoan-tsampy sy ny faharatsiana.
Tue 09 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Efa nanao ratsy ny olonao.
Wed 10 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny.
Thu 11 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Vavaka fanelanelalana
Fri 12 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fianarana fanampiny’
Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.
Sun 21 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny sabatan’i Jehôvah.
Mon 22 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatitra sy ny Fanahy Masina.
Tue 23 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Voaorina ny tabernakely.
Wed 24 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatrehan’Andriamanitra tao amin’ny Tabernakely.
Thu 25 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Nonina niaraka tamin’ny olombelona i Jesôsy.
Fri 26 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal