Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 02 May 2025

Vakio ny PM, toko 10: "Ny tilikambon'i Babela".

"Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany' Apôk. 21:1. Manadio ny tany ny afo izay mandevona ny ratsy fanahy. Voafafa ny ozona rehetra. Tsy hisy helo mirehitra afo mandrakizay eo anatrehan'ny voavonjy hampahatsiaro mandrakariva ny vokatra mahatsiravina avy amin'ny fahotana."

"Fampahatsiahivana tokana ihany no hitoetra: hitondra mandrakariva ny holatry ny nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana Ilay Mpanavotra antsika. Eo amin'ny lohany noratraina, eo amin'ny lanivoany, eo amin'ny tanany aman-tongony, ireo no hany soritry ny asa mahatsiravina nataon'ny fahotana. Hoy ny mpaminany raha mibanjina an'i Kristy ao amin'ny voninahiny izy: 'Misy famirapiratana toy ny mazava, ary misy tana-masoandro avy eo amin'ny tanany; ary ao no fieren'ny heriny' Hab. 3:4. Amin'io lanivoany voatrobaka io izay nijininihan'ny rà nampihavana ny olombelona tamin'Andriamanitra no ahitana ny voninahitry ny Mpamonjy, ao no 'fieren'ny heriny'. 'Mahery ka mahavonjy' Izy amin'ny alalan'ny soron'ny fanavotana, noho izany dia manan-kery hampihatra famaliana amin'ireo izay nanamavo ny famindrampon'Andriamanitra Izy. Koa ny mariky ny fanetren-tenany no voninahiny ambony indrindra; mandritra ny mandrakizay dia hampiseho ny fiderana Azy sy ny heriny ny holatr'i Kalvary." - HM, t. 701.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Amin'ny farany, na inona na inona zava-bita eto an-tany, na lehibe manao ahoana, na mahatalanjona sy be voninahitra manao ahoana, dia ho tonga vovoka sy lavenona izany, ary ho foana mandrakizay. Anisan'izany ny zava-bitanao rehetra eto an-tany, na tamin'ny lasa na ankehitriny, na lehibe sy miezinezina toy inona aza izany. Nahoana no zava-dehibe mandrakariva ny tsy hanadinoantsika izany? Ahoana no tokony hanampian'io fomba fijery io anao hametraka ny laharam-pahamehanao araka ny tokony ho izy?

2. Diniho tsara ilay bibidia ao amin'ny Apôk. 13:1-10, izay niakatra avy tamin'ny ranomasina. Amin'ny fomba ahoana no anehoan'io bibidia io ny vokatra ara-dalanan'ny toe-tsaina tao Babela? Mampiseho mazava ny fitambaran'ny "firenen'olombelona" rehetra, manomboka amin'i Babilona ka hatramin'ilay tandroka kely, io biby io. Inona avy ireo toetra mampiavaka ny fanjakana tsirairay izay mbola hitanao mandraka ankehitriny? Amin'ny fomba ahoana no mbola anehoan'izao tontolo izao ny foto-kevitr'i Babilona na Rôma, ohatra?

3. Amin'ny maha-Advantista antsika dia tokony hanaraka ny Tompo isika, kanefa koa tokony hankatò ireo lalàn'ny fitondram-panjakana mifehy ny firenena misy antsika; ahoana no hahaizantsika mandanjalanja izany? Inona no mitranga rehefa mahatonga ny tsy fankatoavana ny andaniny ny fankatoavana ny ankilany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal