Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.

Daty
Alakamisy 31 July 2025

Vakio ny Eks. 12:29,30, izay miresaka ny amin'ny namelezan Andriamanitra ireo lahimatoan'i Egypta. Nahoana no nifantoka manokana tamin'ny lahimatoa Andriamanitra? (jereo koa ny Heb. 11:28).

Nihatra tamin'ireo lahimatoa ny loza farany tao Egypta. Fitsaran'ny lanitra nahatra tamin'ireo andriamanitra rehetra tao Egypta, sy tamin'ny fianakaviana rehetra izay nivavaka tamin'ireo andriamani-tsy izy ireo izany, izay sampy tsy misy heviny fa naneho ny filan'ny olona sy ny faniriany ary ny tahony fotsiny.

Araka ny hita teo amin'ireo loza teo aloha dia tsy afaka namonjy ny olona ireo sampy ireo. Miharihary kokoa izao ny maha-tsinontsinona azy, dia teto amin'ity loza fahafolo ity, izay ratsy indrindra ho an'ny Egyptianina.

"Isan-tokantrano dia maty ny zanaka lahimatoa, izay rehareha sy tabihan'ny ray aman-dreny. Hatsatra sy taitra ny endriny ary nangovitra ny lohalik'i Farao sy ireo tandapany nandre izany zava-doza izany, raha vao nifoha teo am-pandriany." - PM, p. 280 (ed 1985).

Naneho ny fahefana faratampony sy andriamanitr'i Egypta ny Farao, ary ny zanany lahimatoa dia noheverina ho zanak'andriamanitra. Andriamani-bavy mpiaro ny zanaka i Isis; i Heqet kosa dia andriamani-bavy mpanampy ny vehivavy eo arm-piterahana; ary i Min no andriamanitry ny fahavanonan'anaka. Ankoatra ireo, dia nisy andriamanitra egyptianina maron'ny fahavokarana koa. Tsy nanan-kery ireo andriamanitra rehetra ireo raha oharina amin'llay Andriamanitra velona. Hoy i Mosesy: "Jehôvah ô, iza moa no tahaka Anao amin'izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin'ny fahamasinana, deraina amin'ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?" - Eks. 15:11. Niloa-bava i Jetro taty aoriana, hoe: "Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin'izay zavatra nentin'ny Egyptiana nirehareha tamin'ireny." - Eks. 18:11.

Araka ny Eks. 1, noho ny didin'i Farao dia namono ny zazalahy vao teraka rehetra tao amin'ny Isiraely ny Egyptianina mba handemena ny Isiraelita, hampilefitra sy hampietry azy ireo. Izao kosa, mihatra amin'ny zanaka lahimatoan'i Egypta ny famaizan'Andriamanitra. Izay afafin'ny olona no hojinjany.

Misy vokany ny fanapahan-kevitsika sy ny fitondrantenantsika. Ary ny zava-misy mampalahelo dia ity: tsy isika irery no mizaka ny vokatry ny asa ratsy ataontsika. Manjary mijaly koa ny hafa, tsy vitsy fa maro, eny, na ny tsy manan-tsiny aza. Toy izany ny toetry ny fahotana.

Tamin'ny fomba ahoana no efa nizakanao fahoriana noho ny fahotan'ny hafa? Na koa, ahoana no efa nizakan'ny hafa fahoriana noho ny fahotanao? Inona no hany fanantenantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (52)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal