Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: ANDRIAMANITRA TIA NY RARINY - Fikiro ny fitiavana sy ny rariny.

Daty
Alakamisy 06 February 2025

Ampianarin'ny Soratra Masina antsika mandrakariva fa "Jehôvah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby "- Deo. 7:9. Ny fahafatesan'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana no fanehoana faratampony ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny fitiavany (jereo ny Rôm. 3:25,26; Rôm. 5:8). Hoy ny Sal. 100:5: "Fa tsara Jehôvah , mandrakizay ny famindrampony, ary mihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany." Sal. 100:5 (ampitahao amin'ny Sal. 89:2). Araka izany, dia azo itokiana Andriamanitra; ny fanomezana tsara ihany no atolony ny zanany (Jak. 1:17; ampitahao amin'ny Lio. 11:11-13). Raha ny marina, dia omeny zava-tsoa na dia ireo izay mitsangan-ko fahavalony aza.

Vakio ny Mat. 5:43-48. Inona no ampianarin'izany antsika momba ny fitiavan’Andriamanitra mahatalanjona? Ahoana no tokony hataontsika amin'ny hafa eo anatrehan'izany fampianaran'i Jesôsy izany?

Ambaran'ny Mat. 5 fa tonga lafatra ny fitiavan'Andriamanitra. Tsy tonga lafatra ny fitiavana izay tsy tia afa-tsy izay tia azy. Andriamanitra anefa dia tia na dia ireo mankahala Azy aza, eny fa na ireo mitsangan-ko fahavalony aza. Feno ny fitiavany ka tonga lafatra.

Na dia mihoatra lavitra noho izay mety ho takatry ny saina aza ny fitiavan'Andriamanitra sy ny famindrampony, dia tsy mihoatra na manohitra ny rariny izany. Mifanohitra amin'izany aza, mampihaona ny fahamarinana sy ny famindrampo izany (Sal. 85:10). Mananatra antsika toy izao koa ny Baiboly: "Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an'Andriamanitrao mandrakariva."- Hôs. 12:7. Ary izao no anambaran'ny dikanteny hafa izany: "Fikiro ny fitiavana sy ny rariny" (Hôs. 12:6, dikanteny ESV; ampitahao amin'ny Lio. 11:42).

Amin'ny farany, dia Andriamanitra mihitsy no hampanjaka fahamarinana tonga lafatra. Izao no ampianarin'ny Rôm. 2:5: "Hiseho ny fitsarana marin'Andriamanitra (dikanteny ESV). Farany, hihira toy izao ireo voavotra: "Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô ? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao." - Apôk. 15:3,4; ampitahao amin'ny Apôk. 19:1,2).

Hoy ny Isa. 25:1: "Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra." Ahoana no hianarantsika hidera an'Andriamanitra na dia amin'ny fotoana manjombona aza? Ahoana no hahatonga ny fiainanao ho fanati-piderana ho an'i Jehôvah amin'ny fomba izay hampiroborobo ny fahamarinana eo amin'ny manodidina anao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal