Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: ANDRIAMANITRA TIA NY RARINY - Ny fitiavana sy ny rariny.

Daty
Alahady 02 February 2025

Miara-dalana ny fitiavana sy ny rariny manerana ny Soratra Masina manontolo. Mitaky ny rariny ny tena fitiavana marina, ary tsy misy fomba ahafahana mampanjaka sy mampihatra ny rariny raha tsy amin'ny fitiavana ihany. Tsy mahazatra antsika ny mieritreritra ireo zavatra roa ireo miara-dalana satria nosimban'ny taranak’olombelona ny hevitry ny fitiavana sy ny rariny.

Vakio ny Sal. 33:5; Isa. 61:8; Jer. 9:24; Sal. 85:10 ary ny Sal. 89:14. Ahoana no anampian'ireo andalan-teny ireo antsika hahatakatra fa mihevitra fatratra momba ny rariny Andriamanitra?

Manambara mazava ireo toko sy andininy ireo fa tia fahamarinana Andriamanitra (Sal. 33:5; Isa. 61:8). Tsy afa-misaraka ny fitiavana sy ny rariny ao amin'ny Soratra Masina. Miara-dalana ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fahamarinany, ary mahasarotiny Azy tokoa ny hampiharana ny fahamarinana sy ny rariny eto amin'ity tontolo ity.

Antony mitombina tsara, araka izany, no niampangan'ny mpaminany mandrakariva ireo toe-javatra rehetra tsy ara-drariny, anisan'izany ny lalana tsy marina, ny mizana mandainga ary ny tsy rariny sy ny fampahoriana ny mahantra sy ny mpitondratena ary ireo marefo. Manohy hatrany ny fanaovan-dratsy sy ny tsy rariny samihafa ny olona, fa Andriamanitra kosa "manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana ety ambonin'ny tany" mandrakariva (Jer. 9:23). Noho izany, hita manerana ny Soratra Masina ireo mahatoky amin'Andriamanitra izay miandrandra fatratra ny fitsarany tahaka ny zavatra tsara satria mitondra famaizana ho an'ireo mpanao ratsy sy mpampahory izany, ary mitondra rariny sy fanafahana ho an'ireo iharan'ny tsy fahamarinana sy ny fampahoriana kosa.

Raha ny marina, dia ny fahamarinana sy ny rariny mihitsy no fanorenan'ny fitondram-panjakan'Andriamanitra. Marina sy mahitsy ny fitondran'Andriamanitra feno fitiavana, samy hafa tanteraka amin'ireo fitondram-panjakana feno kolikoly eto amin'izao tontolo izao, izay matetika no mampanjaka ny tsy rariny ho an'ny fahefany sy ny tombontsoany manokana. "Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana" ao amin'Andriamanitra "(Sal. 85:10).

Ambaran Andriamanitra mazava izay andrasany amintsika. "Ry olombelona, efa naseho anao ízay tsara sy izay ilain'i Jehôvah aminao, dia izao ihany: ny hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena." - Mika 6:8. Raha misaintsaina ny amin'ny toetran'Andriamanitra isika, dia ny fitiavana sy ny rariny ary ny famindrampo no tokony ho ivon'izany.

Inona avy ireo ohatra maneho ny fanimban'ny olombelona ny hevitry ny rariny, eny fa na amin'izao andro izao aza? Ahoana moa no tsy hitalahoantsika ny fahamarinanAndriamanitra tonga lafatra mba ho tonga indray andro any?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal