Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Daty
Sabotsy 01 November 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Pet. 1:4; Jos. 7; Sal. 139:1-16; Ezra 10:11; Lio. 12:15; Jos. 8:1-29.

Tsianjery:

"Izaho Jehôvah no mpandinika ny fo sy mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany."-Jer. 17:10.

Ny toko faha-7 amin'ny bokin'i Josoa no tranga voalohany nianaran'ny vahoaka Isiraely, tamin'ny alalan'ny fanandramana mampalahelo, ny hevi-dalina fonosin'ny fanekena sy ny halehiben'ny fiantraikan'izany. Raha nitondra fandresena ny fankatoavana ireo fitsipiky ny fanekena, ny fanaovana tsinontsinona izany kosa dia nitondra faharesena. Tsy niankina tamin'ny hamaroan'izy ireo, na ny paikadiny, na ny fahaizany ny fahombiazan'ny tafiky ny Isiraely, fa tamin'ny fanatrehan'llay Andriamanitra Mpiady mahery niaraka tamin'izy ireo.

Tsy maintsy nianatra lesona sarotra ny Isiraely teo am-piezahana hahazo ny Tany Nampanantenaina, dia ny hoe: tsy tany ivelan'ny tobin'izy ireo no nisy ny fahavalo mampidi-doza indrindra, fa tao anatiny, teo anivon'ireo iray laharana aminy ihany. Ny ady sarotra indrindra niandry azy ireo dia tsy ny mandan'ny tanánan'ny Kananita na ny fahaizana ara-tafika avo lenta nananan'ny fahavalony. fa ny ditran'ireo olona tao an-tobin'izy ireo izay ninia tsy nanaraka ny toromariky ny Tompo.

Eto am-piandrasana ny lovantsika any an-danitra (1 Pet. 1:4; Kôl. 3:24), dia miatrika ady sarotra tahaka izany koa isika. Raha mbola eo amin'ny sisin'ny Tany Nampanantenaina isika, dia zahan-toetra ny fahatokiantsika, ary tsy afaka handresy isika raha tsy amin'ny alalan'ny fanoloran-tenantsika ho an'i Jesôsy Kristy.

*Famerenana ny lesona ny sabata 08 Novambra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal