Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.

Daty
Alatsinainy 03 November 2025

NY FAHOTΑΝ'Ι ΑΚΑΝΑ

Vakio ny Jos. 7:16-19. Inona no ambaran ireo dingana rehetra narahina ireo momba an'Andriamanitra sy i Akana?

Tsy nambaran’ Andriamanitra mivantana ny mombamomba ilay mpandika lalàna, fa nandrafitra dingana maromaro harahina Izy, izay mampiseho ny fahamarinany sy ny fahasoavany. Rehefa avy nanazava ny antony naharesy ny Isiraely Izy, sy nanao antso mba hanamasinan'ny vahoaka ny tenany (Jos. 7:13), dia nasiany fotoana teo anelanelan'ny fanambarana ny dingana hatao sy ny fampiharana azy. izay nahafahan'i Akana nieritreritra sy nibebaka ary niaiky ny fahotany. Toy izany koa, nanana fahafahana hanapa-kevitra ny fianakaviany (raha nahafantatra izay nitranga izy ireo), na hiray tsikombakomba amin'ny fanafenana izany izy ireo na handà tsy handray anjara amin'izany, tahaka ny zanak'i Kora, izay afa-nandositra ny fandringanana rehefa nanda tsy hiandany tamin'ny rainy (ampitahao amin'ny Nom. 16:23-33, Nom. 26:11).

Ny famahana ny olana teto dia nizotra mifanohitra amin'ny fomba nidiran'izany sy nampahoriany ny Isiraely: nesorina tsikelikely, avy amin'ny Isiraely manontolo ho amin'ny firenena iray ny fahamelohana; avy eo, avy amin'ny firenena ho amin'ny foko iray; avy eo avy amin'ny foko ho amin'ny fianakaviana iray; ary avy amin'ny fianakaviana ho amin'ny isam-batan'olona. Tsy nampiseho ilay nanao heloka fotsiny izany fizotry ny fanadihadiana izany fa nahafaka ireo tsy meloka. Lafiny manan-danja amin'ny fomba fitsarana amim-pitandremana fatratra no hita eto, izay Andriamanitra mihitsy no mijoro ho vavolombelon'ny asan'i Akana tsy nisy nahita.

Toa mitaintaina koa ny mpamaky rehefa nanakaiky an'i Akana Andriamanitra. Tsy mahagaga antsika ve ny fizirizirin'io lehilahy io izay nanantena fa tsy ho tratra izy? Tsy misy takona ka tsy hitan'ny mason'i Jehovah (Sal. 139:1-16; 2 Tant. 16:9), izay mahalala ny miafina ao am-pon'ny olona (1 Sam. 16:7; Jer. 17:10: Ohab. 5:21).

Zava-dehibe ny manamarika ny fomba niantsoan'i Josoa an'i Akana: "Anaka". lo fitenenana io dia tsy ahitana taratra ny taona sy ny andraikitr'i Josoa amin'ny maha-mpitarika azy ihany, fa manambara koa ny toe-tsaina nitondran'ity lehilahy mahery ity ny fitsarana. Feno fangorahana an'i Akana ny fony, na dia nantsoina hampihatra fitsarana amin'ilay nanao heloka aza izy. Eto indray, ny fihetsik'i Josoa dia maneho mialoha ny firaisam-po, ny hatsaram-panahy ary ny fitiavan'llay "tsy mba nivatravatra fiteny mihitsy (...), na nanao teny henjana tsy amin'ny antony, na koa nampalahelo be fahatany ny fanahy mora tohina. (...) Nampangainy tsy amin-tahotra kosa ny fihatsarambelatsihy, ny tsy finoana, sy ny fanaovan-dratsy, nefa tamin-dranomaso no nitenenany raha nanao ireo faniniana nandratra fo Izy." - IFM, t. 371.

Raha tsapanao fa mahalala izay rehetra ataonao Andriamanitra, na dia Izay afeninao aza; inona no fiantraikan'izany eo amin'ny fomba fiainanao? Inona no tokony ho akon'izany eo amin'ny fomba fiainanao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal