Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.

Daty
Alatsinainy 03 November 2025

NY FAHOTΑΝ'Ι ΑΚΑΝΑ

Vakio ny Jos. 7:16-19. Inona no ambaran ireo dingana rehetra narahina ireo momba an'Andriamanitra sy i Akana?

Tsy nambaran’ Andriamanitra mivantana ny mombamomba ilay mpandika lalàna, fa nandrafitra dingana maromaro harahina Izy, izay mampiseho ny fahamarinany sy ny fahasoavany. Rehefa avy nanazava ny antony naharesy ny Isiraely Izy, sy nanao antso mba hanamasinan'ny vahoaka ny tenany (Jos. 7:13), dia nasiany fotoana teo anelanelan'ny fanambarana ny dingana hatao sy ny fampiharana azy. izay nahafahan'i Akana nieritreritra sy nibebaka ary niaiky ny fahotany. Toy izany koa, nanana fahafahana hanapa-kevitra ny fianakaviany (raha nahafantatra izay nitranga izy ireo), na hiray tsikombakomba amin'ny fanafenana izany izy ireo na handà tsy handray anjara amin'izany, tahaka ny zanak'i Kora, izay afa-nandositra ny fandringanana rehefa nanda tsy hiandany tamin'ny rainy (ampitahao amin'ny Nom. 16:23-33, Nom. 26:11).

Ny famahana ny olana teto dia nizotra mifanohitra amin'ny fomba nidiran'izany sy nampahoriany ny Isiraely: nesorina tsikelikely, avy amin'ny Isiraely manontolo ho amin'ny firenena iray ny fahamelohana; avy eo, avy amin'ny firenena ho amin'ny foko iray; avy eo avy amin'ny foko ho amin'ny fianakaviana iray; ary avy amin'ny fianakaviana ho amin'ny isam-batan'olona. Tsy nampiseho ilay nanao heloka fotsiny izany fizotry ny fanadihadiana izany fa nahafaka ireo tsy meloka. Lafiny manan-danja amin'ny fomba fitsarana amim-pitandremana fatratra no hita eto, izay Andriamanitra mihitsy no mijoro ho vavolombelon'ny asan'i Akana tsy nisy nahita.

Toa mitaintaina koa ny mpamaky rehefa nanakaiky an'i Akana Andriamanitra. Tsy mahagaga antsika ve ny fizirizirin'io lehilahy io izay nanantena fa tsy ho tratra izy? Tsy misy takona ka tsy hitan'ny mason'i Jehovah (Sal. 139:1-16; 2 Tant. 16:9), izay mahalala ny miafina ao am-pon'ny olona (1 Sam. 16:7; Jer. 17:10: Ohab. 5:21).

Zava-dehibe ny manamarika ny fomba niantsoan'i Josoa an'i Akana: "Anaka". lo fitenenana io dia tsy ahitana taratra ny taona sy ny andraikitr'i Josoa amin'ny maha-mpitarika azy ihany, fa manambara koa ny toe-tsaina nitondran'ity lehilahy mahery ity ny fitsarana. Feno fangorahana an'i Akana ny fony, na dia nantsoina hampihatra fitsarana amin'ilay nanao heloka aza izy. Eto indray, ny fihetsik'i Josoa dia maneho mialoha ny firaisam-po, ny hatsaram-panahy ary ny fitiavan'llay "tsy mba nivatravatra fiteny mihitsy (...), na nanao teny henjana tsy amin'ny antony, na koa nampalahelo be fahatany ny fanahy mora tohina. (...) Nampangainy tsy amin-tahotra kosa ny fihatsarambelatsihy, ny tsy finoana, sy ny fanaovan-dratsy, nefa tamin-dranomaso no nitenenany raha nanao ireo faniniana nandratra fo Izy." - IFM, t. 371.

Raha tsapanao fa mahalala izay rehetra ataonao Andriamanitra, na dia Izay afeninao aza; inona no fiantraikan'izany eo amin'ny fomba fiainanao? Inona no tokony ho akon'izany eo amin'ny fomba fiainanao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal