Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza

Daty
Talata 04 November 2025

SAFIDY MAMPIDI-DOZA

Vakio ny Jos. 7:19-21. Inona no asain'i Josoa hataon'i Akana? Inona no hevitr'izany fangatahana izany? Manao ahoana ny fiaikeny ny helony, araka ny fahazoantsika azy?

Zavatra roa no nangatahin'i Josoa hataon'i Akana: voalohany, ny hanome voninahitra an'Andriamanitra sy hanaja Azy. Faharoa, ny hiaiky tanteraka ka tsy hanafina izay rehetra nataony. Tokony ho nanome voninahitra an'Andriamanitra ny fitsoran'i Akana ny nataony. Ny teny ampiasaina eto (todah, nadika hoe "mitsora") dia azo ilazana fisaorana sy fiderana (Sal. 26:7; Isa. 51:3; Jer. 17:26), nefa manambara fiaiken-keloka koa (Ezra 10:11).

Indrisy fa tsy misy filazana ao amin'ny Soratra Masina ny amin'ny fibebahana marina nasehon'i Akana. Nantenainy hatramin'ny farany fa tsy ho tratra izy. Nanjary noraisina ho toy ny mpanao heloka bevava i Akana noho ny toe-tsainy feno fikomiana, izay tsy nisy fanavotana araka ny lalàn'i Mosesy (ampitahao amin'ny Nom. 15:27-31).

Mampahatsiahy ny fahalavoan'i Adama sy i Eva ny tenin'i Akana ao amin'ny Jos. 7:21. Hitan'i (ra'ah) Eva fa mahatsiriritra (khamad) ilay hazo, ary farany dia nanotazany (laqakh) ny voany (Gen. 3:6). Niaiky i Akana fa nahita (ra'ah) kapôty tsara tarehy avy any Sinara, sekely volafotsy roanjato ary anjam-bolamena tamin'ny babo. Avy eo dia nitsiriritra (khamad) izy ka naka (laqakh) izany. Toy ny tamin'i Adama sy i Eva, ny safidin'i Akana dia mampiseho fa ny fahotan'ny fitsiriritana no fahotan'ny tsy finoana. PMampiseho fiahiahiana an'Andriamanitra izany, dia fiheverana fa tsy maniry ny tsara indrindra ho an'ny zavaboariny Andriamanitra ary manafina zava-tsoa azy ireo, izay tsy natao afa-tsy ho an'Andriamanitra irery ihany.

Ankoatra izany, manasongadina fifanoherana lehibe eo amin'ny toe-tsain'i Rahaba (ampitahao amin'ny Jos. 2:1-13) sy ny an'i Akana koa io andininy io. Ny iray nitondra ireo mpisafo tany teo an-tampon-trano ary nanafina azy ireo tamin'ny miaramila; ny iray kosa naka tamin'ny zavatra voaozona ary nanafina izany tamin'i Josoa. Ny iray naneho hatsaram-panahy tamin'ireo mpisafo tany Isiraelita sy nanampy azy ireo hahazo fandresena; ny iray kosa nitondra olana ho an'ny Isiraely tamin'ny fitsiriritany ka nahatonga faharesena. Ny iray nanao fanekena tamin'ny Isiraelita; ny iray kosa nandika ny fanekena nifanaovany tamin'i Jehôvah . Namonjy ny tenany sy ny fianakaviany i Rahaba, ary tonga olom-pirenena nohajaina teo amin'ny Isiraely izy ireo; i Akana kosa nitondra fanamelohana ho faty ho an'ny tenany sy ny fianakaviany ary tonga ohatra ratsy.

Saino ny amin'ny fahotan'ny fitsiriritana. Inona no azontsika atao tsy hahalatsaka antsika amin'izany, na manam-be isika na tsy manana? (Ampitahao amin'ny Lio. 12:15.)

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal