Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FANAMBARANA MARO MOMBA AN’I JESÔSY - Fanetren-tena: manao fanambarana indray i Jaona Mpanao batisa

Daty
Alahady 03 November 2024

Voazava ao amin'ny lesona 2 fa nahataona ireo mpianatra voalohany — i Andrea sy i Jaona, i Petera, i Filipo sy i Natanaela - ho eo amin'i Jesôsy ny fanambarana nataon'i Jaona mpanao batisa. Mety hihevitra isika fa efa nanao ny fanambarany i Jaona mpanao batisa ka hatreo ihany ny anjarany ao amin'ny tantara. Tsy izany anefa fa mbola voaresaka miverimberina ny momba azy ao amin'ny filazantsaran'i Jaona. 

Vakio ny Jao. 3:25-36. Toy ny ahoana no ampitahan'i Jaona mpanao batisa ny tenany amin'i Jesôsy ?

Nisy fifandirana teo amin'ny mpianatr'i Jaona sy ny Jiosy anankiray momba ny fanadiovana; azo inoana fa mikasika ny fanaovam-batisa izany (ampitahao amin'ny Mar. 1:4,5). Mahaliana fa rehefa nanatona an'i Jaona ny mpianany, tsy isalasalana fa ny mba hitady vahaolana, dia nitoroka an'i Jesôsy izy ireo nanao hoe: "Raby ô, llay tany aminao, tany an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy."— Jao. 3:26. Tsy sarotra ny maminavina ny tao an-tsain'izy ireo: nialona an'i Jesôsy izy, noho ny amin'ny tompony sy ny tenany.

Azon'i Jaona natao koa ny nampanjaka ny fialonana tao am-pony, saingy tsy nataony izany satria fantany ny asa nanirahana azy. Nampahatsiahiviny ny mpianany kosa fa tsy mbola nilaza velively izy fa ny tenany no Kristy. Ny mifanohitra amin'izany aza, ny hampitodika ny olona ho any amin'i Kristy, ny hanomana lalana ho Azy, ny ho vavolombelona hanambara Azy (Jao. 1:6-8), no nahatongavany.

Nampiasa sary an'ohatra momba ny fampakarana izy ka "sakaizan'ny mpampakatra" no ilazany ny tenany, ary i Jesôsy no "mpampakatra". Inoana fa ny vahoakan'Andriamanitra no "ampakarina"(ampitahao amin'ny Hôs. 2:16-23; Isa. 62:1-5). Ary izao teniny izao no mampiseho ny tena fahalehibiazan'i Jaona: "Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena" hoy izy — Jao. 3:30.

Mitohy ny fampitahana an'i Jaona sy i Jesôsy ao amin'ny Jao. 3:31-36, izay maneho ny fahambonian'ny Mesia raha miolotra amin'ny mpialoha IalanaAzy. Vokatry nyfanambaran'i Jaona izay manondro an'i Jesôsy, dia misongadina indray ny Ianjan'ny fanambarana. Izay mandray ny fanambarana ka mino an'i Jesôsy no manana ny fiainana mandrakizay. Izay tsy mandrayAzy kosa dia mitoetra eo ambanin'ny fahatezeran'Andriamanitra. Voasoratra izany. Tian'Andriamanitra tokoa izao tontolo izao ka nirahiny ny Zanany hanavotra izao tontolo izao (Jao. 3:16,17). Izay manda ny fanomezana atolotra azy kosa dia tsy maintsy handoa ny sazin'ny fahotan'ny tenany — dia ny fahafatesana mandrakizay.

Ahoana no hianarantsika ny leson'ny fanetren-tena eo anatrehan'Andriamanitra sy eo anatrehan'ny olona? Inona ny lesona azontsika raisina avy amin'ny oha-piainan'i Jaona eto momba ny fanetren-tena.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal