Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FANAMBARANA MARO MOMBA AN’I JESÔSY - Ny fanambaran’ny vahoaka

Daty
Alakamisy 07 November 2024

"Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesôsy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro, izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina."- Jao. 7:37,38.

Imbetsaka ao amin'ny filazantsaran'i Jaona no ahitana an'i Jesôsy manao fanambarana mivantana momba ny Tenany, mikasika ny hoe: Iza moa Izy? Ary hanao inona no nahatongavany.

Ohatra iray hafa amin'ny fanambarana ataon'i Jesôsy momba ny Tenany io voalaza ao amin'ny Jao. 7:37,38 etsy ambony io, mikasika ny maha-Izy Azy sy ny hataony ho an'izay rehetra manatona Azy. Fanambarana manaitra koa ireo.

Rehefa nandray fitenenana teo amin'ireo Jiosy nanatrika ny andro firavoravoan'ny Tabernakely i Jesôsy , nanao ahoana ny fihetsiky ny ankamaroan'ny vahoaka? Jao. 7:37-53.

Ny sasany nilaza fa Izy no Ilay mpaminany tahaka an'i Mosesy izay efa voalaza ela tany aloha (jereo ny Deo. 18:15-19). Ny hafa nieritreritra fa i Jesôsy no Kristy, saingy niteraka adihevitra ny hoe: ny Mesia dia tsy ho avy any Galilia fa tsy maintsy ho taranak'i Davida, sy teraka tao Betlehema. Nahafeno izany fepetra rehetra izany tokoa anefa i Jesôy (ampitahao amin'ny Mat. 1-2), na dia maro aza no toa tsy nahalala izany!

Na ireo mpiandry raharaha natao hisambotra Azy aza dia sanganehana ny Aminy sy ny teny nambarany. Dia fanontaniana hafa no namalian'ny Fariseo azy ireo: "Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy?" - Jao. 7:48. lo fanontaniana io no nohararaotin'i Jaona hiresahana indray momba an'i Nikôdemosy, izay rehefa avy niresaka tamin'i Jesôsy dia niezaka ny hiaro Azy tamin'ny teti-dratsin'ireo. "Moa manameloka olona va ny lalantsika, raha tsy mbola nihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?" - Jao. 7:51, hoy i Nikôdemosy.

Efa nanaiky an'i Jesôsy ho Mesia tokoa ve i Nikôdemosy ? Na dia tsy ahitana ny porofon'ny fanekeny aza ity toe-javatra ity, ny Baiboly dia manome porofo mazava fa teo anelanelan'ity fihetsika nasehony ity sy ny nataony taorian'ny nahafatesan'i Jesôsy (jereo ny Jao. 19:39,40), dia nanjary nino an'i Jesôsy izy. Koa "eny" ny valin'io fanontaniana io; nisy Fariseo anankiray mba nino an'i Jesôsy ihany raha ny marina. Vakio ny Jao. 7:49.

Inona no nolazain'ireo mpitondra fivavahana, izay naneho ny fanaovany tsinontsinona ireo vahoaka nanaraka an'i Jesôsy? Inona ny lesona azontsika raisina avy amin'izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal