Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 17:14; Isa. 13:1; Jer. 36:17,18; Rôm. 16:22; Lio. 1:1-4; Joda 14,15; 2 Kôr. 4:7.
Tsianjery
"Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana ny amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina." - Rôm. 15:4.
Tianao ve ny hampianarina hira izay Andriamanitra mihitsy no namorona azy? Nosoratan'i Mosesy teo ambanin'ny fitarihan'Andriamanitra ireo tononkira ao amin'ny Deo. 32 (Deo. 31:19-22). Tsy dia mieritreritra hira loatra isika ankapobeny rehefa miresaka momba ireo asa soratry ny mpaminany, nefa maro amin'ireo salamo no hira avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra, na dia tsy notononin'ny Tompo mivantana aza ny tononkira.
Misy fomba lehibe telo voalazan'ny Baiboly fa nampitan'ireo mpaminany ny hafatr'Andriamanitra: (1) am-bava; (2) amin'ny alalan'ny lahatsoratra; ary (3) amin'ny alalan'ny fihetsika maneho tandindona na fiainana aseho ny olona rehetra. Hifantoka amin'ireo lahatsoratra ao amin'ny Soratra Masina isika amin'ity herinandro ity. Mirakitra ny Tenin'Andriamanitra ny Baiboly, izay ambarany amin'ny alalan'ny tenin'ireo mpitondra ny hafany, anisan'izany ny toriteny sy lahateny ataon'ireo mpaminany.
Saino ny fahasamihafan'ny fomba fanoratana sy ny karazan-dahatsoratra ao anatin'ny asa soratry ny mpaminany: fitantarana, tantara marina, tononkalo, fitarainana, ary epistily, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Lehilahy sy vehivavy voafidy no nanambara tamin'ny fitenin'olombelona ny hafatra izay nampitondrain'ny Fanahy Masina azy. Ho hitantsika amin'ity herinandro ity ny asa soratr'izy ireo, ny nampiasany mpitan-tsoratra (sekretera), ary ny tokony hotadidina rehefa mandinika andalan-tsoratra saro-takarina.