Ahitana fomba fanoratra isan-karazany ao amin'ny Baiboly, izay nampiasain'ireo mpitondra ny hafatr'Andriamanitra notarihin'ny Fanahy Masina. Ny sasany dia toy ny diary (jereo ny Nom. 33:1-49). Ny bokin'i Daniela sy Zakaria ary Jaona kosa dia mirakitra ohatra ny amin'ny lahatsoratra momba ny andro farany, izay miavaka amin'ny sary an'ohatra manaitra, lohahevitra mahafaoka izao tontolo rehetra izao, ary famaritana momba ireo mponina any an-danitra, ary toetra hafa koa.
Vakio ny Isa. 13:1. Ahoana no ilazan'ny Baiboly ny hafatra entin'i Isaia eto?
"Faminaniana" no iantsoana ny fahitana raisin'ny mpaminany, izany hoe "fanambarana avy amin'Andriamanitra", satria hafatra avy amin'Andriamanitra izany (indraindray ny teny faminaniana dia adika koa hoe "entana"; jereo, ohatra, ny Jer. 23:33). Amin'ny fandikan-teny tatỳ aoriana, dia hita fa maro amin'ireo hafatra ireo no nosoratana tamin'ny endrika tononkalo, izay matetika mampifanitsy hevitra roa mitovy na mifamaly ("parallélisme"). Io dia fomba fanoratra izay mamerina na manohitra ny hevitra ao amin'ny andalana teo aloha. Ohatra: "Amin'izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin'ny Isiraely" - Isa. 17:7. Ny hoe "Mpanao azy" sy "ny Iray Masin'ny Isiraely" dia mifanindran-dalana, ka manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny momba ny hevitra voalohany ny faharoa, ary momba ny hevitra faharoa, ny voalohany.
Nampiasa fomba fanoratra hafa koa ny mpaminany, toy ny fampiasana tandindona sy ny filaza matavy na laza masaka ("hyperbole"). Mba hahatakarantsika sy hampiharantsika tsara ny hafatr'izy ireo dia ilaina ny mahafantatra ny karazana fomba fanoratra nampiasainy.
Fomba fanoratra iray hafa fahita ao amin'ny Soratra Masina ny fampiasana ny tontolon-kevitry ny fitsarana mifandray amin'ny fanekena. Ohatra, ao amin'ny Jer. 2:4-9 dia asehon'i Jeremia Andriamanitra mitory ny vahoakany toy ny eo amin'ny fitsarana, noho ny tsy nanaovany ny adidiny araka ny fanekena. Amin'ny alalan'ny sary an'ohatra maneho ny zava-mitranga ao amin'ny efitrano fitsarana, dia asehon'ny mpanoratra ho toy ny mpampanoa lalàna Andriamanitra, izay manambara ny anton'ny fitsarany.
Ahitana teny faminaniana, tantara, hira ary fanoharana koa ny Soratra Masina. Nasaina nandrakitra ny hafany rehetra tao anaty boky iray i Jeremia (Jer. 36:2), ary ny ankamaroan'ny boky ao amin'ny TV kosa dia taratasy nalefa tamin'ny vondron'olona na fiarahamonina manokana. Tsy misy karazana fomba fanoratra iray heverina ho manana fahefana noho ny iray hafa ao amin'ny Baiboly. Tokony horaisina ho manan-danja mitovy amin'ny hafatry ny mpaminany fahiny ihany ny epistilin'i Paoly, satria hita mazava ao amin'ny taratasiny fa notarihin'ny Fanahy Masina izy (jereo ny 1 Kôr. 7:10,12,40).
Misy mpandinika sasany manasongadina loatra ny lafiny maha-olombelona ao amin'ny Soratra Masina ka manamaivana ny maha avy amin'Andriamanitra izany. Nahoana no azo antoka fa hitondra ho amin'ny fahaverezana ara-panahy izany?