Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly

Daty
Alarobia 07 May 2025

Misy hery mifanandrina ao amin'ny tantaran'ny famonjena manontolo. Tian'Andriamanitra haverina ho tahaka ny fahiny ny fifandraisantsika Aminy; te hanakaiky antsika Izy. Saingy handringana ny mpanota ny fitondrana azy ireo eo anatrehany. "Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy." - Sal. 5:4, hoy i Davida, ary nampiany koa hoe: "Fa izaho kosa noho ny haben'ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin'ny fahatahorana anao aho"-Sal. 5:7.

Vakio ny Hag. 2:7-9. Rehefa nanorina ny tempoly faharoa izy ireo, dia nanao izao fanomezan-toky mahatalanjona izao ny mpaminany Hagay: Ny voninahitr'ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha. Inona no tian'io faminaniana io holazaina?

Rehefa notokanan'i Sôlômôna ny tempoly voalohany, dia nameno io tempoly io ny voninahitry ny Shekinah ny fanatrehan'Andriamanitra izay niaraka tamin'ny zanak'Isiraely teny an-dalana ho any amin'ny tany Kanana - ka tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona (1 Mpanj. 8:10,11). Rehefa notokanana kosa ny tempoly faharoa, dia tsy teo ny fiaran'ny fanekena, izay maneho ny seza fiandrianan'Andriamanitra, satria nafenin'i Jeremia izany. Tsy hita nameno ny tempoly ny fanatrehan'Andriamanitra tamin'ity indray mandeha ity. Nampalahelo ny rehetra izany. Ahoana no hahatanteraka ny teny fampanantenan'i Hagay?

Tao amin'ny tempoly faharoa dia i Jesôsy mivantana, Ilay Andriamanitra tonga nofo, no niseho. Andriamanitra mihitsy no niala tao ambadiky ny efitra lamba ka niaraka tamintsika mba ho isantsika eto amin'ity tontolo rava ity. Tonga Zanak'olona Ilay Zanak'Andriamanitra, koa afaka nahita ny tavany isika, nandre ny feony, ary nanatri-maso ny nikasihany ilay boka tsy madio, ohatra, sy ny nanasitranana azy (Mat. 8:3). Tsy nentin'Andriamanitra hankany Aminy isika, fa Izy no nankatý amintsika. Nidina nankeo amintsika manokana Izy. Koa izany no mahatonga ny Baiboly milaza momba an'i Jesôsy hoe: "Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela' izany hoe, raha adika: 'Amintsika Andriamanitra" - Mat. 1:23. Saino ny hevitry ny hoe: Nidina Ilay Mpahary ny tontolo rehetra izao, ka tsy vitan'ny niara-niana tamintsika fa maty ho antsika koa.

Tsy isalasalana fa ny hazo fijaliana no fanehoana faratampony ny fitiavan'Andriamanitra. Amin'ny fomba ahoana koa no mety ahitantsika na anandramantsika ny maha-zava-misy ny fitiavan'Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal