Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 01 August 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro:

1 Kor. 12; Efes. 4:11-13; 1 Kor. 13; 1 Pet. 4:8-11; 1 Kor. 14:27; Amo. 3:7.

Tsianjery

"Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany."- 1 Kor. 14:1

"Tahaka ny tenan'olombelona dia iray ihany ny fiangonana saingy manana rantsam-batana maro izay samy manana ny anjara asany sy ny andraikiny ary ny fanomezam-pahasoavana ananany avy. Rehefa ampiasaina amim-pitiavana ireo fanomezam-pahasoavana ireo, dia mampiroborobo ny firaisana, izay maneho taratra ny toetran'llay Andriamanitra telo izay iray.

Amin'ity herinandro ity isika dia hijery momba ny 1 Kor. 12-14sy ny fampianarany mikasika ny fanomezam-pahasoavana. Ity ampahany ity dia ao anatin'ny fizarana iray somary lehibe kokoa, izay iresahan'i Paoly momba ny fitondrantena tokony hananan'ny Kristianina ao anatin'ny tontolon-kevitry ny fanompoam-pivavahana (1 Kor. 11-14). Mifandraika amin'ny olana momba ny fivoriana tsy misy filaminana ny zava-manahiran-tsaina indrindra an'i Paoly. Izao no valinteniny manoloana izany olana izany: tena iray ihany ny fiangonana ka ny rantsam-batana tsirairay dia samy manana ny asany mba ho "fampandrosoana ny tenan'i Kristy"- Efes. 4:12. Raha fintinina, dia nomen'Andriamanitra fanomezam-pahasoavana ny fiangonana mba hampiroboroboana ny firaisana ao anatin'ny fahasamihafana.

Mazava loatra fa mbola ao an-tsain'i Paoly hatrany ilay olana momba ny fisaratsarahana izay noresahiny tao amin'ny toko efatra voalohany amin'ny 1 Korintianina, izay nilazany fa ny firaisana ao amin'i Kristy no vahaolana ho an'ny tsy fifanarahan-tsaina eo amin'ireo mambran'ny fiangonana. Hazavainy bebe kokoa izao izany lohahevitra izany, amin'ny alalan'ny fanehoany ny fahatakarany ny anjara asan'ny fanomezam-pahasoavana.

Heverin'i Paoly fa ny firaisana ao amin'i Kristy sy ao amin'ny Fanahy no hany fomba hisorohana ny fisaratsarahana.

*Famerenana ny lesona ny sabata 08 Aogositra .

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal