Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.

Daty
Alahady 02 August 2026

1 Mampiditra lohahevitra vaovao i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 12:1, amin'ny alalan'ny teny hoe: "Ary ny amin'ny...". Miady hevitra ireo manam-pahaizana momba ny Bai-boly mba hahalalana raha toa izy miresaka momba ny "fanomezam-pahasoavana" na ny "olona ara-panahy", satria ny teny grika tön pneumatikōn dia azo adika araka ireo hevitra roa ireo. Na izany aza, ny hoe "fanomezam-pahasoavana" no heverina fa mety kokoa, satria ao amin'ny 1 Kor. 12:4 dia miresaka mazava momba ireo fa-nomezam-pahasoavana i Paoly. Marihiny ao amin'ny 1 Kor. 12:2-3 fa ny fiaikena amim-pahasahiana ny maha-Tompo an'i Jesôsy no fanomezana voalohany indrin-dra avy amin'ny Fanahy. Tamin'ny andron'ny Testamenta Vaovao mantsy, ny filaza-na fa i Jesôsy no Tompo dia toy ny fandavana fa tsy i Kaisara no tompo (Asa. 17:7; jereo koa ny Jao. 19:12, 15). Noheverina ho fikomiana tamin'ny fahefana romanina izany ka mety hiteraka famaizana hatramin'ny fahafatesana.

Nasongadin'i Jesôsy, ary i Paoly koa, fa ny finoana an'Andriamanitra - eny fa na dia eo anoloan'ny fanenjehana sy ny fandrahonana ho faty aza - dia fanomezana avy amin'ny Fanahy. Raha ny marina, dia ny finoana no fototr'ireo fanomezam-pahasoa-vana hafa rehetra. Tsy mahagaga àry raha toa ny finoana no eo amin'ny laharana voalohany ao amin'ny lisitra tanisain'ny 1 Kor. 13:13. Mazava ny fanambaran'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 12:9 fa fanomezam-pahasoavana ny finoana. Na izany aza, dia maro koa ireo fanomezam-pahasoavana hafa. Ny fizarazaran'ny Fanahy Masina ireo fano-mezam-pahasoavana samihafa "ho azy rehetra avy araka ny sitrapony"- 1 Kor. 12:11, dia manaporofo fa manan-danja sy mahasoa avokoa izy rehetra.

Vakio ny 1 Kor. 12:1-6. Inona no asongadina ao amin'ireo toko sy andininy Ireo?

Ny famerimberenana ny hoe "samy hafa" dia manasongadina fa maro ny fanomezam-pahasoavana. Izay antsoin'i Paoly hoe "zava-panahy" ao amin'ny 1 Kor. 12:1 dia velabelariny bebe kokoa ao amin'ny and. 4-6, amin'ny lafiny telo miavaka tsara: "fanomezam-pahasoavana" (charisma), "fanompoana" na "asa fanompoana" (diakonia), ary "asa" (energēma). Na dia manana heviny samy hafa aza ireo teny ireo, dia tsy tokony havahana loatra, satria mifandray izany ao anatin'ilay andininy. Tsara homarihina koa fa ny fanomezam-pahasoavana dia natao hampiroboroboana ny firaisana, izay miorina amin'ny toetran'Andriamanitra telo izay iray (jereo koa ny Efes. 4:8-11). Ny Fanahy no manolotra ny fanomezam-pahasoavana ho an'ny mpino, ary Andriamanitra Ray no manome azy ireo ny hery hanompoany an'i Kristy ao aminy fiarahamonin'ny mpino (1 Kor. 12:5, 6). Ny mpino tsirairay no tolorana fanomezam-pahasoavana (1 Kor. 12:11), nefa ireo rehetra ireo dia natao hanasoavana ny fiangonana manontolo.

Mariho indray ny fanasongadinan'i Paoly ny firaisana. Nahoana izany no manan-danja tokoa ho an'ny fiangonana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal