Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: NY OLAN’NY FAHARATSIANA - " Tompo Masina sy Marina ô, mandrapahoviana (…) ? "

Daty
Alahady 09 February 2025

Tsy ankehitriny ihany no iresahana momba ny olan'ny faharatsiana fa voaresaka ao amin'ny Soratra Masina koa izany.

Vakio ny Joba 30:26, Jer. 12:1, Jer. 13:22, Mal. 2:17, sy ny Sal. 10:1. Ahoana no anehoan ‘ireo andininy ireo fa mibahana eo amin'ny fanandraman'ny olombelona ny faharatsiana?

Mametra-panontaniana maro, izay mipetraka mandraka ankehitriny, ireo andalan-tSoratra Masina ireo. Ekena fa tsy izany mandrakariva, kanefa nahoana no toa ambinina matetika ny ratsy fanahy ary mahazo tombony amin'ny ratsy ataony ny mpanao ratsy? Nahoana ny olo-marina no iharam-pahoriana tokoa? Nahoana Andriamanitra no toa lavitra antsika, eny, miery aza indraindray?

Na inona na inona lazaintsika momba ireo fanontaniana ireo sy ny olan'ny faharatsiana, dia aoka tsy hohamaivanintsika ny ratsy. Tsy azontsika atao ny miezaka mamaha ny olana amin'ny fanalefahana ny toetry ny ratsy na fampihenana ny halehibeny eto amin'izao tontolo izao. Ratsy tokoa ny ratsy ary mankahala ny ratsy Andriamanitra, mihoatra noho fankahalantsika izany. Koa mahazo miray feo amin'ilay antsoantso manako eran'ny Soratra Masina isika eo anatrehan'ny faharatsiana sy ny tsy rariny miavosa eto amin'izao tontolo izao, manao hoe: "Tompo ô, mandra-pahoviana (...)?"

Vakio ny Mat. 27:46. Ahoana ny fahazoanao ny tenin'i Jesôsy eto? Inona no ambaran'izany momba ny fiantraika lalin'ny faharatsiana amin' Andriamanitra?

Na i Jesôsy aza, teo amin'ny hazo fijaliana, dia nametraka fanontaniana hoe: "Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?" - Mat. 27:46. Hitantsika manokana eto fa mandona an'Andriamanitra ny ratsy. Hita mazava izany fahamarinana mahagaga izany teo amin'ny hazo fijaliana izay niaretan'i Kristy fahoriana sy fahafatesana, izay niantontan'ny faharatsiana rehetran'izao tontolo izao teo Aminy.

Misy fanantenana na izany aza. Nandresy ny fototry ny ratsy, izany hoe i Satana, ny nataon'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana, ary amin'ny farany dia hamongotra ny ratsy tanteraka mihitsy aza. Nindramin'i Jesôsy ilay teny avy ao amin'ny Sal. 22:1, kanefa io salamo io dia miafara amin'ny fandresena.

Nisy fanantenana nandrandrain'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana, kanefa fanantenana tsy mbola tazany akory. Ahoana no hisintonantsika fampaherezana avy amin'izany fanandramany izany, rehefa tojo toe-javatra toy izany koa isika ka tsy mahatazana ny fanantenana eo alohantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal