Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: SAMBATRA IZAY MINO - Firesahana momba ny an’i ABRAHAMA

Daty
Alahady 10 November 2024

Tsy menatra nanambara ny maha-Izy Azy na niantso vavolombelona hanambara ny momba Azy I Jesôsy , eny fa na dia efa nodimandry efa ela aza izany vavolombelona izany, anisan'izany i Abrahama. "Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly." - Jao. 8:56.

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fijoroan'i Abrahama ho vavolombelona ka nampidirina tao amin'ny filazantsaran'i Jaona mihitsy? Gen. 12:3; Gen. 18:16-18; Gen. 26:4; Mat. 1:1; Ma. 3:25.

"Tamin'ny alalan'ny mason'ny finoana no nitazanan'ilay patriarika ny Mpamonjy izay ho avy. Nolazainli Jesôsy tamin'ny Jiosy izany, fa hoy Izy: Ravaravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly'. Ny ondrilahy natolotra ho fanatitra odorana ho solon'i Isaka dia nampiseho ny Zanak’Andriamanitra izay novonoina nisolo antsika. Rehefa voaheloka ho faty ny taranaleolombelona noho ny tsy fankatoavany ny didin'Andriamanitra, dia sady nijery ny Zanany Andriamanitra no nilaza tamin'ny mpanota hoe: 'Ho velona hianao, satria, efa nahita fanavotana ho anao Aho.'- PM, tt. 136, 137, ed. 2014.

Rain'ny firenena jiosy i Abrahama. Nomena teny fikasana izy fa avy aminy no hitahiana ny firenena rehetra. Tamin'ny alalan'ny Mesia, izay teraka tao anatin'ny tetiarany, no nahatongavan'izany fitahiana izany.

Rain'izay rehetra mamaly ny antson'Andriamanitra koa i Abrahama (Heb. 11:8, 17-19). Tsy porofon'ny finoana fotsiny ny fetezany hanolotra an'i Isaka ilay zanaky ny teny fikasana ho fanatitra (Gen. 22) fa varavarankely misokatra hoenti-maneho ny drafi-pamonjena koa.

Rehefa niteny toy izao i Jesôsy : "Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko" - Jao. 8:56, dia izao no navalin'ireo mpitarika Azy: "Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an'i Abrahama va?" - Jao. 8:57.

Mahatalanjona ny valin-tenin'i Jesôsy teo anatrehan'izany: "Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho." - Jao. 8:58.

Nampiasa fomba fiteny izay mampahatsiahy ny zavatra nambaran'Andriamanitra an'i Mosesy tao anatin'ny roimemy nirehitra i Jesôsy . Fanambarana ny maha-Andriamanitra Azy izany, dia Izy Hay tsy nisy nahary. Tsy isalasalana fa takatr'ireo mpitarika ny hevitra tao ambadiky ny teny nambarany satria "naka vato hitoraka Azy" izy ireo (Jao. 8:59).

Vakio ny Rôm. 4:1-5. Ahoana no ampiasan'i Paoly ny tantaran'i Abrahama mba hanambarana ny fahamarinana lehiben’ny famonjena amin'ny finoana irery ihany fa tsy amin'ny asan'ny lalana? Ahoana no anampian'ireo toko sy andininy ireo antsika hahatakatra ny maha-rain'izay velona amin'ny finoana Abrahama?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal