Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7 : SAMBATRA IZAY MINO - Ny fijoroana ho vavolombelon’i Tomasy

Daty
Alarobia 13 November 2024

AaVakio ny Jao. 20:19-31. Inona ny lesona mikasika ny finoana sy ny fisalasalana azontsika sintonina avy amin'ny tantaran'i Tômasy? Inona ny fahadisoana lehibe nataony?

Niseho tamin'ireo mpianany i Kristy taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty, rehefa nihidy tao amin'ny efitrano iray izy ireo noho ny tahotra. Tsy niaraka tamin'izy ireo i Tômasy. Taorian'izay dia ren'i Tômasy avy tamin'ireo mpianatra hafa ny tatitra momba ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty, saingy very fanantenana izy. Tsy nifanaraka tamin'ny sary tao an-tsainy mikasika ny fanjakan’Andriamanitra izany. Azo antoka koa fa nanontany tena izy ny amin'ny antony hisehoan'i Jesôsy amin'ireo namany kanefa izy aza tsy teo.

Hoy i Tomasy: "Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tánako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tánako, dia tsy mba hino aho." - Jao. 20:25.

Nambarany ho ren'ny hafa ireo fepetra mba hinoany ny toe-javatra. Miverimberina ao amin'ny filazantsaran'i Jaona izany fomba fijery ny finoana an'i Jesôsy izany. Izao no navalin'i Nikodemôsy an'i Jesôsy: "Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe?" - Jao. 3:4. Izao ny fanontaniana napetrak'ilay vehivavy teo am-pantsakana: "Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany?" Jao. 4:11. Ary izao no fanontanian'ireo vahoaka izay nofahanana tamin'ny mofo sy hazandrano: "Inona ary no famantarana ataonao?" - Jao. 6:30.

Izany, hevitra momba ny hoe "mahita vao mino" izany no tsipihin'ny filazantsaran'i Jaona. Rehefa nihaona tamin'i Tômasy i Jesôsy taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty, dia nasainy nanatona Azy izy, mba hahita sy hikasika ny tenany. Rehefa izay dia nilaza Izy hoe: "sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino." - Jao. 20:29.

"Andriamanitra tsy mampino antsika na oviana na oviana, raha tsy manome porofo ampy hiorenan'ny finoantsika. Ny fisiany, ny toetrany ary ny hamarinan'ny Teniny dia hamarinin'ny porofo izay mitory amin'ny saintsika, sady ampy hanaranam-po izany porofo izany. Andriamanitra anefa tsy nanaisotra na oviana na oviana izay rehetra mety hahatonga fisalasalana. Tsy maintsy miankina amin'ny porofo mibaribary ny finoantsika, fa tsy amin'ny fitsikeran-javatra." - DHK, t. 120.

Efa nomena porofo marobe isika mba hinoantsika an'i Jesôsy , amin'ny alalan'ny Tenin'Andriamanitra sy ny famoronana ary ny fanandramantsika manokana.

Inona no holazainao raha misy olona manontany anao hoe: Nahoana ianao no mino an'i Jesôsy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (8)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal