Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7 : SAMBATRA IZAY MINO - Ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesôsy

Daty
Alakamisy 14 November 2024

Raha manolotra vavolombelona maro izay manambara an'l Jesôsy i Jaona, dia mitondra antsika ho amin'izao fandravonana izao izany: "Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon'i Jesôsy teo imason'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin'ity boky ity, fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesôsy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino hianareo." - Jao. 20:30,31.

Alao sary an-tsaina hoe nanatri-maso ny nanaovan'i Jesôsy ireny fahagagana marobe ireny ianao. Azo antoka fa hino isika, sa tsy izany? Tiantsika ny mihevitra izany, kanefa amin'ny lafiny iray, manana antony lehibe lavitra mba hinoana an'i Jesôsy mihoatra noho ireo izay nanatri-maso ireny fahagagana ireny isika. Nahoana?

Inona no ananantsika ankehitriny nefa tsy nananan’ireo velona tamin'ny andron'i Jesôsy, izay tokony hanampy antsika mba hino? Jereo, ohatra, ny Mat. 24:2; Mat. 24:14; Mat. 24:6-8.

Tsy ireo tantara manan-danja ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ihany no ananantsika, fa nomena antsika koa ny tombontsoa amin'ny fahitana ny fahatanterahan'ireo toe-javatra nambaran'i Jesôsy sy ireo mpanoratra ny Baiboly mialoha, tahaka ny faharavan'ny tempoly (Mat. 24:2), ny fielezan'ny filazantsara manerana an'izao tontolo izao (Mat. 24:14), ny fihemorana lehibe (2 Tes. 2:3), ary ny mbola maha-toeran'ny fahalavoana sy ny faharatsiana an'izao tontolo izao (Mat. 24:6-8). Nandritra ny fiainan'i Jesôsy sy ny nanaovany asa fanompoana, dia vondron'olom-bitsy nahitana lehilahy sy vehivavy niharan'ny fanenjehana hatrany ireo mpanara-dia Azy, ary raha ny fisainan'olombelona dia efa ela izy ireo no voafafa tsy hita intsony teo amin'ny tantara. Ahoana moa no nahalalan'izy ireo, tahaka ny ahalalantsika koa, fa hitranga ireo zavatra rehetra ireo? Ary niseho tokoa izany. Raha ny marina, na ny finoantsika aza dia fahatanterahan'ny faminanian'i Jesôsy momba ny hahatraran'ny filazantsara an'izao tontolo izao.

Ary ankehitriny, roa arivo taona eo ho eo aty aoriana dia manana tombony isika hijoro ho vavolombelon'i Jesôsy sy izay efa nataony ho antsika, amin'ny maha-mpanara-dia Azy antsika. Tsy amin'ny fomba fisainan'i Natanaela sy i Nikodemôsy ary ilay vehivavy teo am-pantsakana, na koa amin'ny fampianaran'ireo Fariseo no hahalalantsika ny maha-Mesia an'i Jesôsy. Amin'ny famakiana ny Soratra Masina eo ambany hery mandresy lahatry ny Fanahy Masina no anekentsika fa Izy no Mpamonjy an'izao tontolo izao. Rehefa izay, dia hanana tantara hotantaraina ny tsirairay avy amintsika, araka izay fombany avy sy ny fifandraisany manokana amin'Andriamanitra. Mety tsy hampitolagaga toy ny fahitana ny maty natsangana na koa ny jamba hatrany an-kibo nositranina ny tantarantsika, saingy tsy mampaninona izany. Ny zava-dehibe dia ny fahafantarantsika manokana an'i Jesôsy, sy ny fijoroantsika ho vavolombelony araka izay fombantsika, tahaka ny nataon'ireo olona ao amin'ny filazantsaran'i Jaona

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.
Sun 07 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Tsy fahaiza-mitondra.
Mon 08 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fanompoan-tsampy sy ny faharatsiana.
Tue 09 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Efa nanao ratsy ny olonao.
Wed 10 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny.
Thu 11 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Vavaka fanelanelalana
Fri 12 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fianarana fanampiny’
Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny
Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.
Sun 21 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny sabatan’i Jehôvah.
Mon 22 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatitra sy ny Fanahy Masina.
Tue 23 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Voaorina ny tabernakely.
Wed 24 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatrehan’Andriamanitra tao amin’ny Tabernakely.
Thu 25 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Nonina niaraka tamin’ny olombelona i Jesôsy.
Fri 26 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal