Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7 : SAMBATRA IZAY MINO - Ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesôsy

Daty
Alakamisy 14 November 2024

Raha manolotra vavolombelona maro izay manambara an'l Jesôsy i Jaona, dia mitondra antsika ho amin'izao fandravonana izao izany: "Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon'i Jesôsy teo imason'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin'ity boky ity, fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesôsy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino hianareo." - Jao. 20:30,31.

Alao sary an-tsaina hoe nanatri-maso ny nanaovan'i Jesôsy ireny fahagagana marobe ireny ianao. Azo antoka fa hino isika, sa tsy izany? Tiantsika ny mihevitra izany, kanefa amin'ny lafiny iray, manana antony lehibe lavitra mba hinoana an'i Jesôsy mihoatra noho ireo izay nanatri-maso ireny fahagagana ireny isika. Nahoana?

Inona no ananantsika ankehitriny nefa tsy nananan’ireo velona tamin'ny andron'i Jesôsy, izay tokony hanampy antsika mba hino? Jereo, ohatra, ny Mat. 24:2; Mat. 24:14; Mat. 24:6-8.

Tsy ireo tantara manan-danja ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ihany no ananantsika, fa nomena antsika koa ny tombontsoa amin'ny fahitana ny fahatanterahan'ireo toe-javatra nambaran'i Jesôsy sy ireo mpanoratra ny Baiboly mialoha, tahaka ny faharavan'ny tempoly (Mat. 24:2), ny fielezan'ny filazantsara manerana an'izao tontolo izao (Mat. 24:14), ny fihemorana lehibe (2 Tes. 2:3), ary ny mbola maha-toeran'ny fahalavoana sy ny faharatsiana an'izao tontolo izao (Mat. 24:6-8). Nandritra ny fiainan'i Jesôsy sy ny nanaovany asa fanompoana, dia vondron'olom-bitsy nahitana lehilahy sy vehivavy niharan'ny fanenjehana hatrany ireo mpanara-dia Azy, ary raha ny fisainan'olombelona dia efa ela izy ireo no voafafa tsy hita intsony teo amin'ny tantara. Ahoana moa no nahalalan'izy ireo, tahaka ny ahalalantsika koa, fa hitranga ireo zavatra rehetra ireo? Ary niseho tokoa izany. Raha ny marina, na ny finoantsika aza dia fahatanterahan'ny faminanian'i Jesôsy momba ny hahatraran'ny filazantsara an'izao tontolo izao.

Ary ankehitriny, roa arivo taona eo ho eo aty aoriana dia manana tombony isika hijoro ho vavolombelon'i Jesôsy sy izay efa nataony ho antsika, amin'ny maha-mpanara-dia Azy antsika. Tsy amin'ny fomba fisainan'i Natanaela sy i Nikodemôsy ary ilay vehivavy teo am-pantsakana, na koa amin'ny fampianaran'ireo Fariseo no hahalalantsika ny maha-Mesia an'i Jesôsy. Amin'ny famakiana ny Soratra Masina eo ambany hery mandresy lahatry ny Fanahy Masina no anekentsika fa Izy no Mpamonjy an'izao tontolo izao. Rehefa izay, dia hanana tantara hotantaraina ny tsirairay avy amintsika, araka izay fombany avy sy ny fifandraisany manokana amin'Andriamanitra. Mety tsy hampitolagaga toy ny fahitana ny maty natsangana na koa ny jamba hatrany an-kibo nositranina ny tantarantsika, saingy tsy mampaninona izany. Ny zava-dehibe dia ny fahafantarantsika manokana an'i Jesôsy, sy ny fijoroantsika ho vavolombelony araka izay fombantsika, tahaka ny nataon'ireo olona ao amin'ny filazantsaran'i Jaona

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (9)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal