Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.

Daty
Alatsinainy 11 May 2026

Angamba ianao efa nivavaka momba ny zavatra iray nandritra ny fotoana maharitra, mety aman-taona, ary toy ny hoe tsy ren'Andriamanitra ireny vavaka ireny. Hoy ny Baiboly amintsika: "Mangataha, dia homena hianareo" - Mat. 7:7, "raha mangataka zavatra araka ny sitrapony" - 1 Jao. 5:14. Manao ahoana ny fahatakaranao ireo teny fikasana ireo? Ohatra maneho ny vehivavy iray tia vavaka izay nanao fangatahana manokana i Hana (1 Sam. 1:10-17). Tamin'ny voalohany dia toy ny hoe tsy namaly ny fivavahany Andriamanitra, saingy naharitra izy, ka novalian'Andriamanitra tokoa, tamin'ny fotoana voatendriny ary araka ny Sitrapony. Indraindray ny fiandrasana dia manamafy orina ny fiarahantsika mandeha amin'Andriamanitra, satria amin'izany no ianarantsika matoky Azy bebe kokoa. Hoy ny Sal. 62:8: "Matokia Azy mandrakariva ianareo. ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika." Matokia. Moa ve isika matoky fa tena fantany tokoa izay mahasoa indrindra, eny fa na dia tsy mahita valim-bavaka eo no ho eo aza isika? Moa ve isika matoky fa hamaly Izy amin'ny farany, araka ny fotoana mety sy ny fomba tsara indrindra? Tsy azontsika haingana araka izay aniriantsika azy na araka izay fomba irintsika isehoany indraindray ny valfm-bavaka. lnona no torohevitra omen'ny Baiboly antsika mahakasika izany? • Ny sitrapon'Andriamanitra no katsaho fa tsy ny anao (Mat. 6:10; 1 Jao. 5:14,15) • Diniho ny antony manosika anao hivavaka (Ohab. 16:2; Jak. 4:3) • Eritrereto raha toa misy fahotana ankamamianao (Sal. 66:18; 1 Pet. 3:12; Ohab. 15:29) • Mitoera ao amin'Andriamanitra sy ao amin'ny Teniny (Jao. 15:7) • Minoa rehefa mivavaka (Heb. 11:6; Jak. 1:6; Mar. 11:24; Mat. 21:22) • Diniho ny fonao (mietry sa miavonavona) (Jak. 4:6; 1 Pet. 5:6) • Mahareta (1 Tes. 5:17,18) • Avelao ny heloky ny hafa (Mar. 11:25,26) • Farany, Andriamanitra dia mahita ny toe-javatra amin'ny lafiny rehetra ary mahalala izay mahasoa antsika indrindra (Rom. 8:28; Efes. 3:20; Jer. 29:11-13). Indraindray ny valin-teniny dia toy izay nomeny an'i Paoly hoe: "Ampy ho anao ny fahasoavako" - 2 KOr. 12:9. Zava-dehibe iray mamaritra ny valin-tenintsika eo anatrehan'ny vavaka toa tsy ahazoam-baliny ny fomba fijerintsika an'Andriamanitra. Raha toa isika mihevitra Azy ho lavitra sy tsy miraika, dia ho osa ny fifandraisantsika Aminy. Arnin'ny fotoana toy izany, tadiavo ao amin'ny Baiboly ny porofon'ny fitiavany sy ny fiahiany anao, ary mivavaha mba hihamazava kokoa ny sary diso momba Azy ao an-tsaintsika. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (2)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal