Vakio ny Kol. 1:19,20. Inona ny fampihavanana natao teo amin'ny hazo fijaliana, ary ahoana no mahatonga izany hahafaoka ny zavatra rehetra?
Fomba fiteny mahaliana tokoa, amin'ny teny grika, no amaranan'i Paoly ny fanoritsoritana ataony momba an'i Jesôsy , izay manondro amin'ny fomba tsy mivantana ny Ray. Hita ao amin'ny Kôl. 1:12 izany. Ny Fahafenoan'ny Ray no sitrany hitoetra ao amin'i Jesosy (ampitahao amin'ny Kôl. 2:9). Inona moa izany "fahafenoana" izany? Voalazan'i Jaona fa ny voninahitry ny Ray izany, izay "feno fahasoavana sy fahamarinana." - Jao. 1:14.
Raha araka io toko sy andininy io anefa, dia mahafaoka zavatra betsaka izany "fahafenoana" izany. Voafaokan'izany avokoa ny maha mandrakizay an'Andriamanitra sy ny fisiany tsy nisy nahary ary ny fahefana ananany izay hahafahany mamorona sy manao famoronam-baovao. Ny zava-dehibe indrindra, dia ny fanasongadinan'io teny io ny fahendren'Andriamanitra tamin'ny nandreseny ny ota sy ny fahafatesana tamin'ny fomba tsy takatry ny saina indrindra: ny hazo fijaliana. Tamin'izany no nanovany io zavatra manala baraka indrindra io ho fanehoana ny fitiavany mandrakizay amin'ny voary tsirairay nohariany. "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." - Jao. 3:16.
Izao fahamarinana be voninahitra izao no mamintina ny fomba tokana nahafahana nandresy tanteraka ny ota sy nampihavanana ny zavatra rehetra araka izay azo natao indrindra: Tia Andriamanitra - tiany izao rehetra izao, ary tiany loatra isika ka nahafoy ny zavatra rehetra Izy mba hamonjena antsika tamin'ny alalan'ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana. Kosmos no teny grika iantsoana an'izao tontolo izao; mahafaoka an'izao rehetra izao izany teny izany. Miresaka momba io fanehoan-javatra amin'izao rehetra izao io, ao anatin'ny tontolon-kevitry ny fanarahana an'i Kristy, i Paoly: "fa izahay dia natao ho fizahan'izao rehetra izao, na anjely na olona." - 1 Kor. 4:9.
"Ny lanitra dia ory sy talanjona nijery an'i Kristy nihantona teo amin'ny hazo fijaliana (...) Noho ny fiainam-pikomiany, Satana sy ireo niray taminy dia mametraka nytenany eo amin'ny toerana mifanipaka indrindra amin'Andriamanitra ka manjary afo mandoro ho azy na dia ny fanatrehan'Andriamanitra aza. Handringana azy ny voninahitr'llay Fitiavana. Tamin'ny fiantombohan'ny ady lehibe, dia tsy azon'ny anjely izany. (...)
Nefa tsy ho toy izany rehefa hifarana ilay ady lehibe. Amin'izay, dia ho tanteraka ny drafitry ny fanavotana, haseho amin'ny voary rehetra manan-tsaina ny toetra amam-panahin' Andriamanitra. (...)
Eny, tamin'izay dia afaka niravoravo ny anjely raha nijery ny hazo fijalian'ny Mpamonjy. (...) Azon'i Kristy an-tsaina tanteraka kosa ny ho vokatry ny sorona nataony tao Kalvary. Ireny rehetra ireny no notazaniny mialoha raha teo amin'ny hazo fijaliana Izy ka niantsoany tamin'ny feo mahery hoe: 'Vita!"- IFM, tt. 819, 825 (ed. 1983).