Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.

Daty
Alakamisy 20 August 2026

Vakio ny 1 Kor. 15:54-57. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo momba ny fandresena ny fahafatesana amin'ny farany?

Fanambarana mahaliana no anombohan'i Paoly ny paragrafy farany ao amin'ny 1 Kor. 15: "Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra."- 1 Kor. 15:50. Maro amin'ny mpamaky ny Baiboly no mampiasa io fanambarana io hoenti-milaza fa i Paoly dia manohana ny hevitra izay milaza fa fanahy tsy misy vatana no mankany an-danitra. Tsy izany mihitsy anefa ny tontolon-kevitra. Ny firafitry ny teny ao amin'ny 1 Kor. 15:50 dia manambara fa ny "nofo aman-dra" dia mifanandrify amin'ny "fahalovana", ary ny "fanjakan'Andriamanitra" kosa dia mifandraika amin'ny "tsy fahalovana". Tahaka izay hita ao amin'ny 1 Kor. 15:42-49, eto koa i Paoly dia mampitaha ny vatana ankehitriny (na ny faty koa aza) amin'ny vatana hatsangana amin'ny maty. Ny vatana alevina dia voamariky ny fahalovana sy ny fahafatesana, fa ny vatana hatsangana kosa dia mitafy tsy fahalovana sy tsy fahafatesana (1 Kor. 15:50, 53, 54). Raha lazaina amin'ny teny tsotra, dia milaza i Paoly fa tsy maintsy mandalo fiovana tanteraka ny tenantsika mba hahafahantsika mandova ny lanitra.

Raha fintinina, dia miresaka momba ny fahalovana sy ny fahafatesana i Paoly mba hanondroana ny toetra maha-mpanota antsika. Eo amin'ny asasoratra jiosy, ny hoe "nofo aman-dra" dia teny fampiasa hanondroana ny olombelona lavo, izay antony tsy maintsy hanovana ny tenantsika sy hanesorana ny tsy fahatanterahana rehetra amin'ny fotoana hiverenan'i Jesôsy .

Rehefa hesorina ny toetra maha-mpanota antsika (1 Kor. 15:54) ary rehefa hotafiana tsy-fahafatesana isika (1 Kor. 15:51-53; 1 Tes. 4:13-17), dia vao ho tanteraka ny fanambarana hoe: "Ny fahafatesana noresena ka levona."- 1 Kor. 15:54. Amin'izay no hihirana izao fihirana mitory fahasahiana sy fihaikana izao: "Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô aiza ny fanindronanao?"- 1 Kor. 15:55. Amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany no hitrangan'izany rehetra izany (1 Kor. 15:51, 52).

Eritrereto izao: manakimpy ny masontsika isika rehefa maty, ary ny zavatra ho hitantsika aorian'izany dia ny fiavian'i Jesôsy fanindroany, rehefa hatsangany amin'ny maty isika. Na oviana na oviana no nahafatesan'ny mpino iray, na dia an'arivo taona lasa aza, dia "vetivety, toy ny indray mipi-maso" no hananganana azy "rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana."- 1 Kor. 15:52.

Iza moa no tsy efa nitaraina hoe haingana loatra ny fandehan'ny fiainana? Raha jerena ny fanandramantsika manokana, dia ho toy Izany koa ny fahatsapantsika ny fiavian'i Jesôsy fanindroany. Angamba ny eritreritsika voalohany rehefa miverina Izy dla hoe: "Tena haingana tokoa ny fahatongavanao ry Tompo!" Ahoana no anamplan'izany antsika hahatakatra bebe kokoa izay heverina ho "fitaredretry" ny fotoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal