Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: TANTERAKA IREO FAMINANIAN’NY TESTAMENTA TALOHA - Famantarana, asa, fahagagana

Daty
Alahady 17 November 2024

Ankoatra ireo fahagagana manokana notantarain'i Jaona mba hanehoana ny maha-Mesia an'i Jesôsy , dia nomeny toerana lehibe koa ny amin'ireo adihevitra mikasika ireo famantarana sy asa ary fahagagana nataon'i Jesôsy.

Tsy dia porofon'ny maha-Mesia Azy loatra raha ireo famantarana sy fahagagana ireo fotsiny, satria nisy mpaminany maro, ary sandoka indraindray, nahavita fahagagana koa. Tsy nosoratan'i Jaona avokoa ireo famantarana nataon'i Jesôsy satria tsy manondro afa-tsy mpahay fahagagana fotsiny izany. Manana toetra manokana kosa ireo famantarana nofidin'i Jaona hosoratana satria manondro an'i Jesôsy ho Mesia izany, sy manambara fa avy amin'Andriamanitra Ray tokoa Izy.

Vakio ny Jao. 5:17,20,36-38. Ahoana no anoritsoritan'ireo andininy ireo ny fifandraisana misy eo amin'i Jesôsy sy Andriamanitra Ray, indrindra ao anatin'ny tontolon-kevitr'ireo famantarana?

Nampiasa famantarana i Jesôsy mba hanehoana ny fiarahany miasa akaiky amin'ny Ray. Iray ihany Izy ireo. "Ny Ray no ato amiko, ary izaho ao amin'ny Ray", izany no nasehon'ny asany (Jao. 10:38; jereo koa ny Jao. 14:10,11.)

Ny hanao ny asan'llay naniraka Azy no nahatongavan'i Jesôsy , mba ho hitan'izao tontolo izao ireo asa ireo. Izany hoe, tonga Izy mba hanao ny asa nanirahan'ny Ray Azy hataony, ary ny asa nataony dia nanamarina sy nanambara mazava fa avy amin'ny Ray tokoa Izy.

Araka ny efa hitantsika, na teo aza ireo famantarana lehibe sy fanambarana avy amin'ny olona maro, dia mbola nifidy ny tsy hino Azy ihany ny olona.

Nanontany an'i Jesôsy toy izao ireo mpitondra fivavahana: "Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay. Jesôsy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy nino hianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy." - Jao. 10:24,25.

Raha nilaza mahitsy sy mivantana i Jesôsy fa Izy no Mesia dia ho nitady izao zavatra rehetra izao ireo mpitondra fivavahana hanoherana Azy ka ho nitambatra namely Azy. Fantatr'i Jesôsy izany, koa ny asany no nasehony azy. Raha toa ka nilaza i Jesôsy fa Izy no Kristy dia ho mora foana tamin'izy ireo ny nandà izany. Fa raha ny famantarana sy ny asa ary ny fahagagana kosa, hataony ahoana no fandà izany? Fanambarana mahery vaika ireo, milaza ny maha-lzy Azy sy ny niaviany.

Ahoana no hiarovantsika ny tenantsika tsy ho mafy fo tahaka ireto mpitondra fivavahana ireto? Amin'ny fomba ahoana no mety hanoherantsika ny asan'Andriamanitra koa eo amin'ny fiainantsika.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal