Rehefa niverina tany Efesosy i Paoly, dia nanoratra taratasy ho an'ny Korintianina fa tsy namangy azy ireo fanindroany. Nanjary fantatra amin'ny hoe "epistily hentitra" io hafatra nosoratany io (jereo ny 2 Kor. 2:3,4; 2 Kor. 7:8,12).
Vakio ny 2 Kor. 7:5-13. Inona no vokatry ny hafatra nosoratany ho azy ireo, ary nanao ahoana ny fihetsik'l Paoly teo anatrehan'izany vokatra Izany?
Nihaona tany Makedonia i Paoly sy i Titosy taty aoriana, ka tao no nandrenesan'i Paoly avy amin'i Titosy ilay vaovao tsara, fa nitondra voka-tsoa ireo teny mahery nosoratany, ary nitondra fifaliana lehibe ho an'ny fon'ilay apostoly izany. Raha nanohitra an'i Paoly ny olona sasany tao Korinto teo aloha, izao kosa dia nanaiky azy ny fiangonana. Zava-dehibe tokoa ny fanohanantsika ireo mpitarika antsika. Amin'ny maha-mambran'ny fiangonana antsika, dia afaka manamora ny asan'izy ireny tokoa isika.
Vakio ny 2 Kor. 2:5-11. Inona no hevi-dehibe eto?
Miresaka momba ny fitsipi-pifehezana eo anivon'ny fiangonana io andalan-teny io. Miady hevitra ny mpandinika raha ilay lehilahy voalaza fa nanambady ny vadin-drainy ao amin'ny 1. Kor. 5:1-5 io mpandika lalana io, na olon-kafa, dia olona iray izay nitaona ny hafa tao am-piangonana hiampanga an'i Paoly fa tsy namangy azy ireo izy ary tsy niraharaha azy ireo noho ny niovany drafitra. Toa manohana io hevitra faharoa io ny tontolon-kevitry ny tantara. Na izany na tsy izany, ny fampianarana manan-danja indrindra eto dia mikasika ny fomba tokony handraisan'ny fiangonana ny olona iray nanao fahotana.
Mampianatra izany fa ny tanjon'ny fampiharana fitsipika ao am-piangonana dia ny famerenana amin'ny laoniny amin'ny alalan'ny famelan-keloka sy ny fanamafisana indray ny fitiavana ilay mpanota (2 Kor. 2:6-8,10). Milaza koa io andalan-teny io fa mety hampahory ny famaizana eo anivon'ny fiangonana, nefa ilaina izany. Izany hoe, misy fiangonana, na manana fikasana tsara te hifantoka amin'ny "fahasoavana" aza, dia mety hiatrika na handray fepetra mihitsy manoloana ny ota mibaribary na ota atao ampahibemaso aza. Etsy ankilany, misy fiangonana sasany koa mety ho henjan-doatra, tsy mamela heloka, ary masiaka. Mila andraisana fepetra ny ota, saingy amin'ny fitiavana. Noho izany, afaka nananatra ny fiangonana i Paoly mba hanamafy indray ny fitiavany ilay mpandika lalana (2 Kor. 2:8) satria izy mihitsy no tia ny fiangonana (2 Kor. 2:4)!
Afaka naneho fitiavana ilay mpandika lalana ny fiangonana tany Korinto (2 Kor. 2:8) satria efa nanehoan'Andriamanitra fitiavana koa Izy tamin'ny alalan'ny fitiavan'i Paoly. Inona no ampianarin'izany antsika momba ny fitiavana?