Vakio ny 2 Kor. 1:3-7. Inona no maha-velom-pisaorana an'i Paoly eto?
Mifantoka amin'ny fampiononan'Andriamanitra ireo izay mitondra fahoriana ny fisaoran'i Paoly. Ao amin'io andalan-teny io dia miverina impolo ny teny hoe "ampiononana" na "mampionona" (parakaleő) na "fampiononana" (paraklēsis). Raha isaina ny fiverimberenan'ireo teny ireo ao amin'ny 2 Kor. (in-29), dia maneho ny ampahatelony ny ao amin'io andalan-teny io. «Rain'ny famindram-po sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra» - 2 Kor. 1:3,4, no anortitsoritana an'Andriamanitra.
Tsy natao hokobonina ho an'ny tena samirery ny fampiononana raisina avy amin'Andriamanitra (2 Kor. 1:4,5). Ny fo malahelo izay nandray fampiononana avy amin'Andriamanitra ihany no afaka mampionona amin'ny fomba mahomby ireo izay mitondra fahoriana koa.
Afaka nampionona ny hafa i Paoly satria ny tenany mihitsy, tao anatin'ny fahoriany, no naharay fampiononana avy amin'Andriamanitra. "Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany" - 2 Kor. 1:6. Izany no fitiavana!
Inona no isaoran'l Paoly ao amin'ny 2 Kor. 1:8-117
Hoy i Paoly momba ny fahoriana nanjo azy ireo: "novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay"- 2 Kor. 1:8; ary nahiana aza ny ain'izy ireo. Nanopy ny sainy tany amin'ny fitsanganana amin'ny maty izy ireo, izay hany fanantenany. Nanafaka azy ireo anefa Andriamanitra, ary niova ny toe-javatra (2 Kor. 1:10). Avy amin'ny tahotra ny fahafatesana (2 Kor. 1:8), no nisandratan'izy ireo ho amin'ny fanantenana velona fa mbola hanafaka azy ireo indray Andriamanitra (2 Kor. 1:10). Ireo fandresen'Andriamanitra tamin'ny lasa dia manome toky antsika fa hanao toy izany koa Izy amin'ny hoavy. Mampiasa ny fahoriana Andriamanitra mba hampianarana antsika hitoky Aminy. Afaka mitondra antsika ho amin'ny fahamatorana ara-panahy ny zava-tsarotra lalovantsika, farafahakeliny amin'ny ambaratonga izay amelantsika izany hampanakaiky antsika an'Andriamanitra. Maneho ny herin'ny vavaka fanelanelanana sy ny fankasitrahana ao anatintsika noho ny famonjen'Andriamanitra koa ny fisaoran'i Paoly (2 Kor. 1:11).
Inona no hitanao fa fomba mahomby hiatrehana ny fahoriana, izay tsy azontsika rehetra ihodivirana raha mbola eto an-tany?