Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY FIFANANDRINANA LEHIBE - "Fahavalo no nanao izany."

Daty
Alahady 23 February 2025

Vakio ny Mat. 13:24-27. Ahoana no anampian'io fanoharana io antsika hahatakatra ny momba ny faharatsiana eto amin'izao tontolo izao?

Mitantara momba ny lehilahy iray namafy voa teo amin'ny tanimbariny i Jesôsy. Tsy namafy afa-tsy voa tsara io lehilahy io kanefa nisy tsimparifary naniry teny anivon'ny variny. Rehefa nahita izany ny mpanompon-dralehilahy dia nanontany azy hoe: "Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? Koa avy taiza kosa ny tsimparifary?" - Mat. 13:27. Mitovy amin'izany koa ny fanontaniana mipetraka matetika ankehitriny momba ny olan'ny fahara-tsiana: Raha tontolo tonga lafatra no noforonin'Andriamanitra, nahoana no misy ratsy ao anatiny?

Vakio ny Mat.13:28-30 sy ny fanazavana ao amin'ny Mat. 13:37-40. Ahoana koa no anazavan'izany ny toetr'ilay fifanandrinana lehibe?

Namaly ny mpanompony ilay lehilahy hoe: "Fahavalo no nanao izany" Mat. 13:28. Nohazavain'i Jesôsy taty aoriana fa "Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona", izany hoe ny tenany ihany - and. 37; "ny tanimbary dia izao tontolo izao" - and. 38, ary "ny fahavalo izay namafy (ny tsimparifary) dia ny devoly-and. 39. Maneho mazava ny fisian'ny ady lehibe ifanaovan'i Kristy sy i Satana izany. Nahoana no misy ny ratsy eto amin'izao tontolo izao? Avy amin'ny fahavalo (ny devoly) izay manohitra ny Tompo izany (Mat. 13:28).

Mahatonga ity fanontaniana manaraka ity anefa izany valin-teny izany: "tianao va ny handehananay hanongotra sy hanangona azy?" Izany hoe, raha lazaina amin'ny teny hafa, "nahoana no tsy hongotana avy hatrany ny ratsy?" "Tsia" hoy ilay tompon-tany namaly, "fandrao, raha manongotra ny tsimparifary hianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary. Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fararano." Mat. 13:29,30. Araka io fanoharana io dia hofongoran'Andriamanitra ihany ny ratsy amin'ny farany, saingy ny famongorana azy aloha loatra dia hiteraka fahasimbana hampidi-doza ny tsara, izay tsy azo arenina.

Inona avy ireo loza mety hateraky ny fanongotana ny tsimparitary hiala amin'ny vary ankehitriny? Kanefa koa, nahoana izany no tsy midika fa tokony hodiantsika tsy hita tsotra izao ny ratsy manoloana antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal