Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mangataha fiadanana ho an'i Jerosalema

Daty
Alatsinainy 11 March 2024

Vakio ny Sal. 122:1-5. Inona no fihetsehampon'ireo mpivavaka rehefa tonga any Jerosalema? Inona no antenainy ho hita any?

Maneho ny firavoravoan'ny mpivahiny sy ny fifalian'izy ireo amin‘ny fahatongavany any Jerosalema ny Sal. 122. Fotoam-pifaliana ny fivahiniana tany Jerosalema, rehefa nankany intelo isan-taona ny vahoakan’Andriamanitra mba hahatsiaro ny fahatsarana nasehon’Andriamanitra tamin‘izy ireo tamin’ny lasa sy ny ankehitriny (Deo. 16:16). | Jerosalema no ivon’ny fiainan'ny firenena satria tao no nisy ny “Lalana amin'ny Isiraely’ (Sal. 122:4) sy ny “seza fitsarana mipetraka” (Sal. 12:5). Ny “Laléna amin’ny Isiraely’ dia manondro ny fitoerana masina, izay nantsoina tamin’izany fotoana izany hoe “taberakelin'ny Vavolombelona” (Nom. 1:50) ary koa nisy ny “fiaran'ny Vavolombelona” (Eks. 25:22). Maneho ny rafi-pitsarana tany Jerosalema ny seza fiandrianan'ny fitsarana (2 Sam. 8:15). Ny fivahiniana tany Jerosalema, araka izany, no fotoana nitadiavan'ny olona ny rariny sy nahazoany izany. Tsy nosarahina mihitsy ny fahatokiana amin’Andriamanitra sy ny fanomezana rariny ny olona.

Vakio ny Sal. 122:6-9. Inona no tena antom-bavaky ny vahoakan’ Andriamanitra?

Ny fangatahana fiadanana ho an'i Jerosalema dia fangatahana ny fitahian’Andriamanitra ho amin’ny tanana sy ny mponina ao aminy; mampiray ireo mpivavaka izany ka mahatonga ny fiadanana hipariaka eo amin‘izy ireo (Sal. 122:8). Tsy ho tananan’ny fiadanana i Jerosalema raha tsy mihavana amin’Andriamanitra ny olony, ary mihavana koa ireo samy zanak’Andriamanitra. Araka izany, ny fangatahana fiadanana ho ani Jerosalema dia mampita antso ho amin'ny vahoakan’Andriamanitra mba hihavana amin’Andriamanitra sy amin'izy samy izy. Rehefa miadana i Jerosalema dia hiadana ny olona (Sal. 147:12-14),

Ampianarin'ny Salamo antsika fa ny fangatahana ny fiadanan'ny fiarahamonin'ny finoana no tokony ho ivon'ny antom-bavaky ny zanak’Andriamanitra satria ny vahoakan’Andriamanitra miray hina sy matanjaka inany no afaka hitory ny vaovao mahafalin’ny fiadanan’Andriamanitra sy ny famonjena amin'izao tontolo izao (Jao. 13:34, 35).

Tombontsoa sy andraikitra ho an'ny mpino ny fangatahana ny fiadanan’i Jerosalema satria mihazona ny fanantenana ny fiavian'ny fanjakam- piadanan’Andriamanitra amin'ny andro farany izany, izay hahakasika an'izao tontolo rehetra izao fa tsy ny tananan’i Jerosalema ihany (Isa. 52:7; Isa. 66:12, 13; Apdk. 21-22).

Inona avy ireo fomba azo ampiharina ho fampanjakana ny firindrana eo. amintsika ankehitriny, amin'ny maha-vahoakan' Andriamanitra antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal