Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MIADY MBA HANJAKA AO AMIN'NY SAINA

Daty
Alakamisy 18 April 2024

Vakio ny 2 Kôr. 4:3-6. Inona ny hevitry ny hoe "izay nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino" - 2 Kôr. 4:4? Ahoana no nanajambana ny mason'izy ireo? Inona no mampisokatra ny maso?

Ny teny grika nadika hoe "saina" ao amin'io andininy io dia noema. Ny fomba fijerintsika na ny faharanitan-tsaintsika no heviny ara-bakiteny. Manazava io andininy io ny ao amin'ny SDA Bible Commentary. "Ny ady eo amin'i Kristy sy i Satana dia ady mba hanjakana ao amin'ny sain'ny olombelona. (Rôm. 7:23,25; 12:2; 2 Mr. 3:14, 11;3; Fil. 2:5; 4:7,8). Ny asa fototra ataon'i Satana dia ny hanajamba na hanamaizina ny sain'olombelona. Ataony izany amin'ny fanakanana azy ireo tsy hianatra ny Tenin'Andriamanitra, amin'nyfampanaranam-po ny vatana sy ny fanahy mba hahalefy ny herin'ny saina, amin'ny famenoana ny saina amin'ireo zavatra eto amin'ity fiainana ity, ary amin'ny fandrisihana ny avonavona sy ny fanandratan-tena." — b. 6, t. 854.

Ny tsy fahalalan'ireo very dia tsy vokatry ny tsy nahafahany mahalala tsy akory. Avy amin'ny tsy finiavany hahalala izany. Mara no nanana tombontsoa azo nohararaotina hahalalana ny fahamarinana, saingy nisafidy ny tsy hino izy ireo, ka nohajambain'i Satana ny masony. Ny fanjakan'i Satana dia fanjakan'ny haizina. Hoy koa ny SDA Bible Commentary: "Ny Filazantsara no harry fomba ahafahana mampiharihary ny drafitra sy ny fitaka ataon'i Satana, ary io no ahafahan'ny olona mahita ny lalana miala amin'ny haizina ho amin'ny fahazavana." — b. 6, t. 854. Ny fiainan'i Jesôsy , ny fahafatesany, ary ny fitsanganany tamin'ny maty no votoatin'ny hafatry ny Testamenta Vaovao. Ivon'ny Filazantsara sy ivon'ny Soratra Masina i Jesosy. Manambara Azy ny Soratra Masina manontolo (Jao. 5:39).

Vakio ny Jao. sy ny 14. Ahoana no anoritsoritan'ireo andininy ireo an'i Jesôsy ? Mariho manokana ny Jao. 1:14.p.

Nandritra ireo taonjato voalohandohany niorenan'ny fiangonana kristianina, dia nanalo-tena tanteraka ho an'i Kristy, Ilay fanazavana azy ireo tao amin'ny maizina, ny mpino tao amin'ny Testamenta Vaovao. Ny fahasoavany no nanavotana azy ireo, ny heriny no nanova azy ireo, ary ny fitiavany no nampahery azy ireo. Na ny fahafatesana aza tsy nahatapaka ny fifandraisana feno fahatokiana namatotra azy tamin'i Kristy. Ny fahazavana be voninahitry ny filazantsara no nahafantarany ny fitaky ny devoly. Nanana lehilahy sy vehivavy izay niaro ny fahamarinany tamin-kerim-po hatrany i Kristy, noho ny fahasoavany. Nandritra ireo taonjato voalohany ireo dia namirapiratra tao amin'ny haizina ny fahazavan'ny fitiavana sy ny fahasoavana ary ny fahamarinan'i Kristy. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (35)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal