Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MIAHY NY FIARAHAMONINA

Daty
Alarobia 10 April 2024

Tsy noho ny nitorian'ny mambra ny Filazantsara ihany no nampitombo ny fiangonana kristianina voalohany fa ny fiveloman'izy ireo ny filazantsara koa. Maneho ny asa fanompoan'i Kristy izay "nandeha eran'i Galilia ka nampianatra tao amin'ny synagogan'ny olona teo sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra tamin'ny olona" ny mpino (Mat. 4:23). Nihevitra sy niahy fatratra ny olona i Jesôsy ary ny fiangonan'ny Testamenta Vaovao dia nanao toy izany koa. Izany fitiavana manda ny tena sy fanoloran-tena hamaly ny filan'ny olombelona izany, niaraka tamin'ny fizarana ny vaovao mahafalin'ny Filazantsara amin'ny herin'ny Fanahy Masina no nampisy fiantraikany teo amin'ny tontolo nandritra ireo taonjato voalohany nisian'ny fiangonana kristianina.

Vakio ny Asa. 2:44-47, Asa. 3:6-9, sy ny Asa. 6:1-7. Na dia miovaova aza ny toe-javatra, inona ireo fitsipika azontsika raisina avy amin'ireo andininy ireo momba ny fivavahana kristianina tena izy?

Nanaraka ny ohatra navelan'i Kristy ireo mpino ao amin'ny Testamenta Vaovao izay nambaran'i Petera fa "nohosorana tamin'ny Fanahy masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy' - Asa. 10:38. Ny fiangonan'i Kristy no tenany eto an-tany, ary nandritra ireo taonjato voalohany dia naneho ny fitiavana mahafoy ny aina tahaka ny an'i Kristy izy ireo ary koa naneho ny fiahiany ny olombelona mijaly sy ory. Ohatra velon'ny fitiavan'i Kristy ireo mpino ireo.

Ao amin'ilay fifanandrinana lehibe mangotraka eto amin'izao tontolo rehetra izao, ny devoly dia maniry ny hanimba ny endrika an'Andriamanitra eo amin'ny olombelona. Ny tanjon'ny Filazantsara dia ny hamerina amin'ny laoniny ny endrik'Andriamanitra eo amin'ny olombelona, voafaoka ao anatin'izany famerenana amin'ny laoniny izany ny fanasitranana ara-batana, ara-tsaina, ara-pihetseham-po ary ara-panahy.

Ao amin'ny Jao. 10:10 no anambaran'i Jesôsy ny drafiny ho an'ny tsirairay avy amintsika. "Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be." Iriny indrindra ny hananantsika vatana salama, saina matsilo, fihetseham-po milamina ary ho salama ara-panahy.

Manana ny fahamarinany manokana izany eo anatrehan'ny fiaviany izay efa nampanantenainy. Miatrika fotoan-tsarotra lehibe izao tontolo izao. Ny filazana mialoha ny hoavy nataon'i Jesôsy ao amin'ny Mat. 24 sy ny Lio. 21 dia manambara ireo toe-javatra mahatsiravina eto an-tany mialoha ny fiverenany. Rehefa mikasika antsika amin'ny fahasoavany manasitrana i Kristy dia manam-paniriana ny hikasika ny hafa amin'ny fikasihan'i Kristy isika mba hahasitranan'izy ireo. Maniraka antsika ho eo amin'ny tontolo potika i Jesôsy amin'ny maha-masoivohon'i Kristy antsika mba hikasika ny hafa amin'ny fitiavany. Nampiavaka ny fivavahana kristianina tamin'ny andron'ny Testamenta Vaovao ny fifankatiavan'ny samy Kristianina sy ny fitiavan'izy ireo ny fiarahamonina nisy azy.

Ifanakalozy hevitra: Inona no anjara asan'ny fiangonana ao amin'ny fiaraha-miasa amin'i Kristy mba hanaporofoana fa diso ireo fiampangan'i Satana? 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal