Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mihira fihiram-baovao ho an’! jehovah

Daty
Alatsinainy 18 March 2024

Vakio ny Sal. 33:3, Sal. 40:3, Sal. 96:1, Sal. 98:1, Sal. 144:9, sy ny Sal. 149:1. Inona ny lohahevitra iombonan'ireo adininy ireo?

Mibaiko ny olona hanao “fihiram-baovao’ ny Salamo. Inona moa nohevitr'izany eto? Ny fahatongavan-tsaina sy fiaikena ny fiandrianan’Andriamanitra sy ny fahefany eo amin'izao tontolo izao, ho fisaorana noho ny fiahiany sy ny famonjeny amin'ny maha-Mpahary sy Mpitsara ny tany Azy, no anton'ny “fihiram-baovao” eto. Antony mahakasika ny Isiraely kokoa ny fanafahan’Andriamanitra azy ireo tamin’ny fahavalony sy ny fahafatesana, ary ny fahasoavana manokana nasehon'Andriamanitra azy ireo. Midera an’Andriamanitra noho ny fahatsarany sy ny fahagagana ataony ny hira sasany, fa ny “fihiram-baovao” kosa dia miavaka, maneho ny fodian'ny fifaliana indray sy fanomezan-toky fa hohavaozina ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra. Ny fanandramana vaovao nahatsapan'ny vahoaka ny fanafahan’Andriamanitra dia mandrisika azy ireo hiaiky fa Jehovah no Mpahary sy Mpanjakany. Ny lohahevitra iraisan'ireo Salamo milaza “fihiram- baovao” dia ireto: ny fitokiana amin’Andriamanitra, ny fiderana Azy noho ny asany mahagaga, ary ny fanafahana amin'ny fahoriana, ankoatra ny maro hafa.

Vakio ny Isa. 42:10-12, Apék. 5:9, sy ny Apok. 14:3. Inona ny hevitra azontsika tsoahina avy amin'ireo andinin-tSoratra Masina ireo momba ny “fihiram-baovao"?

Antsoina amin‘ilay teny mamy hoe “firenena akaiky Azy [akaiky an’Andriamanitra]” ny Isiraely vahoakan’Andriamanitra (Sal. 148:14), izay midika fa manana toerana manokana tokoa ny Isiraely amin'ny voary rehetra noforonin’Andriamanitra, ary noho izany dia manana adidy sy tombon-tsoa hidera an’Andriamanitra. Mandrisika ny mpino rehetra eo amin'ny tantara ny Baiboly, araka izany, mba hanao fihiram-baovao ho fiderana ny Mpanavotra azy, ka voizina amin'izany ny fanambarana miavak’izy ireo momba ny famonjena ao amin’ny ran'ny Zanak’ondry. Azo lazaina ho hira vaovao tsy mbola nisy nandre na oviana na oviana ny “fihiram-baovao’, izay ahatsiarovana ny fahatsapana velona ny fahasoavan'Andriamanitra eo amin'ny fiainan’ny olona iray. Mety haneho fanantenana koa ny “fhiram-baovao”, ka ny maha-vaovao azy dia ny fiandrandrana ny fanjakan'Andriamanitra tsy manan-tsahala sy tsy manam-paharoa amin'ny hoavy. Mihoatra noho ny sorona sy ny fanatitra ny tena fiankohofana marina ary maneho taratra ny fifandraisana velona amin’Andriamanitra, izay mihavao mandrakariva. Amin'ny heviny iray, ny “fihiram-baovao dia azo lazaina tsotra hoe fanehoana vaovao, na isan‘andro aza, ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fankasitrahantsika Azy noho izay nataony ho antsika. .

Saintsaino ny fitahian’ Andriamanitra teo amin'ny fiainanao. Raha tokony hanao fihiram-baovao ianao dia ho toy ny ahoana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina manaho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal