Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Nandevona

Daty
Sabotsy 21 September 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 15:42-47; Mar. 16; Kôl. 2:10-12; 1 Kôr. 15:1-8; Dan. 9:24-27; Jao. 20:11-18.

Tsianjery: "Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an'i Jesôsy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, hianareo; efa nitsangana lzy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy."- Mar. 16:6. 

Nandevina ny fanantenana sy ny finoan'ny mpianatra ny nanomboana an'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana. Herinandro manjombona tokoa no nolalovan'izy ireo. Maty mantsy ny Tompony, kanefa tsy vitan'izany fa nanahy ny amin'ny ainy koa izy ireo (Jao. 20:19).

Ho hitantsika ao amin'ny Mar. 16, ilay toko farany ao amin'io filazantsara io, izay nitranga taorian'ny nahafatesan'i Jesôsy.

Voalohany, hodinihintsika ny fotoana nitsanganan'i Jesôsy tarriin'ny maty sy ny antony nankanesan'ireo vehivavy tany amin'ny fasan'i Jesôsy ny marainan'ny Alahady. Tsy dia miresaka ny amin'ilay marainan'ny nitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty ny Advantista indraindray satria nohararaotina loatra izany nanohanana ny fanamasinana ny andro Alahady. Ho hitantsika eto kosa hoe ahoana no tokony hifaliantsika noho ity Alahadin'ny fitsanganana amin'ny maty ity, na eo aza ny fampianaran-diso mifandray amin'izany.

Faharoa, hohazavaina ao amin'ny lesona ny andininy voalohany ao amin'ny Mar. 16, izay mifandray amin'ny lohahevitra iray hita manerana ilay boky manontolo. Hodinihintsika ao amin'ny lesona Alatsinainy sy Talata ny momba izany.

Fahatelo, hamaranantsika ny herinandro dia hodinihintsika ao amin'ny lesona Alarobia sy Alakamisy izay sisa voalaza ao amin'ny Mar. 16, sy ny iraka ampanaovin'izany antsika. Manainga ny mpamaky hitory ny filazantsara manerana izao tontolo izao ny famaranana ny lesona.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal