Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FANKATOAVANA : VOKATRY NY FINOANA

Daty
Alakamisy 02 May 2024

Vakio ny Rôm. 3:27-31; Rôm. 6:15-18; sy ny Rôm. 8:1,2. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny famonjena amin'ny alalan'ny fahamarinan'i Kristy irery ihany?

Rivo-baovao no nitsoka tao amin'ny fiangonana kristianina tamin'ny andron'i Lotera. Olona an'alina no nianatra nampiala ny fijeriny amin'ny "izaho" mpanota ka nametraka izany teo amin'i Jesôsy. Tsy isalasalana fa raha nijery ny tenany sy ny toetrany ireo olona ireo, dia tsy nahita afa-tsy zavatra nahakivy azy. Iza amin'ny mpino amin'izao fotoana izao no tsy efa niaina fanandramana toy izany? Izany no antony tokony hijerentsika an'i Jesôsy fa tsy ny tenantsika. Manova antsika ny fahasoavan'Andriamanitra. Nanatrika fivoriana tany Morave, any Londres, i John Wesley indray andro. Talanjona i Wesley raha nandre ny fampidirana nataon'i Lotera ny amin'ny epistily ho an'ny Rômanina. Voalohany teo amin'ny fiainany izao no nanombohany nahatakatra ny Filazantsara. Nisy zavatra voahetsika tao anatiny ary tsapany toa voasarika ho eo amin'io Kristy izay nanolotra ny fiainany ho azy io izy. lzao no nambarany: "Tsapako ho natoky tanteraka fa ao amin'i Kristy irery ihany ny famonjena, ary azoko antoka fa nanaisotra ny fahotako Izy, eny, na dia ny fahotako aza, ary namonjy ahy tamin'ny lalan'ny ota sy ny fahafatesana." - John Whitehead, The Life of the Rev. John Wesley, M.A. (London: Stephen Couchman, 1793), t. 331.

Vakio ny 1 Pet. 2:2, 2 Pet. 3:18, Kol. 1:10, sy ny Etes. 4:18-24. Inona ireo fahamarinana iankinan'aina ambaran'ireo andininy ireo ny amin'ny fiainana kristianina?

Nandinika ny Teny hatrany ireo mpanavao fivavahana mba hahafantarany bebe kokoa ny fahamarinana. Tsy nionona fotsiny tamin'ny zavatra efa hainy izy ireo, na afa-po tamin'ny fanandramana ara-pivavahana mafonja kanefa zara raha misy fivoarana, fa nangetaheta hatrany ny hahalala an'i Kristy bebe kokoa. Tamin'ny vanim-potoana Antenantenany dia Kristianina maro mino ny Baiboly no nandoa ny vidiny lafo indrindra noho ny fanoloran-tenany. Nampijalina, nampidirina an-tranomaizina, natao sesitany ary novonoina izy ireo. Nesorina taminy ny fananany, nodorana ny tranony, norobaina ny taniny ary nenjehina ny ankohonany. Rehefa noroahina tamin'ny tranony izy ireo dia nitady tanana izay "Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany' - Heb. 11:10. Rehefa nampijaliana izy ireo dia nisaotra ireo mpampijaly azy ary rehefa naiditra tao amin'ny fonja maizina sy feno hamandoana izy ireo dia nitaky ny teny fikasan'Andriamanitra mampanantena hoavy mamiratra kokoa. Na nampidirina am-ponja aza ny tenany, dia olona afaka kosa izy ireo — afaka ao amin'i Kristy, afaka ao amin'ireo fahamarinan'ny Teniny, afaka ao amin'ny fanantenana ny fiaviany tsy ho ela.

Rehefa mijery ny tenanao ianao, inona ny fanantenam-pamonjena anananao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (48)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal