Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FANOHARANA MOMBA NY VOA MITSIMOKA

Daty
Alakamisy 25 July 2024

Vakio ny Mar. 4:26-29. Inona no ifantohan'io fanoharana io indrindra?

Ahitana tantara mitovy amin'ny ao amin'ny Matio na Lioka na ireo roa ireo n ankamaroan'ny filazantsaran'i Marka, saingy tsy toy izany ho an'ity fanoharana iray ity. Ao amin'ny filazantsaran'i Marka irery no ahitana io fanoharana foh mifantoka amin'ny dingan'ny fitomboana io. Ambaran'i Jesôsy fa toy izany n fanjakan'Andriamanitra. Manana ny anjara asa tandrify azy ny olombelon saingy ny tena fitomboana dia asan'Andriamanitra. Tsy dingana tsy manam piafarana tsy akory izany fa mifarana amin'ny fahavokaran'ny voa ilay tantara Tahaka izany koa, ny fiverenan'i Kristy fanindroany fanind no hamarana ny tantaran'ity tanintsika ity.

Vakio ny Mar. 4:30-32. Inona ny zavatra asongadina manokana ar amin'ny fanoharana mikasika ny voantsinapy?

Asongadin'io fanoharana io ny fitomboan'ny zava-madinika iray ho tonga lehibe sy mahatalanjona. 1 hatramin'ny 2 milimetatra eo ny savaivon'n voantsinapy iray. Azo heverina fa ny karazan-java-maniry resahina eto dia n voantsinapy mainty (Brassica nigra) izay manana voa madinika dia madinika (voa mihoatra ny 700 isa vao ampy 1 grama). Na dia tsy ny voantsinapy aza no voa madinika indrindra eto an-tany, dia madinika ihany izany, indrindra raha oharina amin'ny hazo maniry avy aminy izay manana haavo hatramin'ny 3 metatra. Nambaran'i Jesôsy fa na ny vorona aza dia manao ny akaniny ec amin'ny rantsan'izany hazo izany. Mifandraika amin'izay voalaza ao amin'ny Sal 104:12 sy ny Dan. 4:10-12 ity farany ity. Miresaka momba ny herin'Andriamanitra nentiny namorona an'izao tontolo izao ny Sal. 104, ary ny Dan. 4 kosa maneho an'i Nebôkadnezara tahaka ny hazo lehibe izay nialokalofan'izao rehetra izao sy nanome hanina ho azy ireo.

Izao no hevitra tian'i Jesôsy hambara: ny fanjakan'Andriamanitra izay niandoha tamin'ny kely indrindra dia hihalehibe ary hahatalanjona ny olona Azo heverina fa nanao tsinontsinona an'ilay mpitory teny mpifindrafindra sy feno vovoka avy any Galilia niaraka tamin'ireo mpianany ny olona tamin'ny andron Jesôsy, kanefa nasehon'ny fotoana fa mihamiitatra manerana an'izao tontolo izao ny Fanjakan'ny fahasoavany.

"Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany." - Mat. 24:14. Eritrereto hoe toy ny ahoana ny "fiangonana" fony nilaza io fanambarana mialoha ny hoavy io i Jesôsy. Nahoana izany no fanambarana manamafy ny finoana (ho antsika)?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal